Amin’izao fotoana izao dia fotoana tokony hampiakarana ny adihevitra ataon’ny vondrona rehetra — na antoko politika, na ireo olona mety hitondra ny firenena, ny rehetra indrindra indrindra ka misehetra amin’ny politika amin’ny ankapobehiny – ho amin’ny ambaratonga ambony kokoa, ka hifantoka amin’ny fanamby geôstratejika, ara-toekarena ary ara-institisionaly izay hamaritra ny hoavin’ny firenena.
Tapitra ny fety, inona no lova havelantsika ho an’ny zanatsika? Fifidianana manaraka fotsiny ve sa mibanjina ny Madagasikara 2050?
Vita tam-pifaliana sy tam-pireharehana ny fankalazana nyzzz faha-66 taonan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Nisy ny matso, ny afomanga, ny lanonana ary ny firaisan-kina nahafinaritra niainan’ny Malagasy manerana ny Nosy sy eran-tany.
Hita mazava fa fety ofisialy lehibe izy io, maneho ny fanjakana sy ny firaisam-pirenena, miaraka amin’ny miaramila sy ireo mpitondra maro. Hita ihany koa fa ny mpitondra dia mikendry ny hanamafy ny firaisankina eto amin’ny firenena sy ny maha-ara-dalàna ny fanjakana.
Rehefa tonga ny 26 Jona, ny Malagasy dia manaja ny fombafomba sy ny marika (toy ny fety, saina, miaramila), nefa mbola miandry ihany koa ny fanatsarana hita amin’ny fiainana andavanandro.
Fa rehefa maty ny jiro, rehefa tapitra ny mozika, rehefa voatahiry ny sary sy ny horonan-tsary, dia misy fanontaniana iray lehibe tokony hapetratsika amin’ny tenantsika rehetra:Inona no lova havelantsika ho an’ny zanatsika sy ny zafintsika?
Amin’izao fotoana izao dia toa mifantoka amin’ny ady politika sy fifanenjanana eo amin’ny samy mpanao politika ny sain’ny maro eto Madagasikara. Misy manao propagandy, misy mifaninana amin’ny sary miaraka amin’ny vahiny, misy mifampitsikera isan’andro.
Fa mandritra izany rehetra izany, miova tanteraka ny tontolo iainantsika eran-tany. Tsy ny toekarena intsony no mitarika ny fanapahan-kevitry ny firenena lehibe, fa ny jeôpolitika. Izany hoe: iza no mifehy ny harena stratejika? Iza no mifehy ny làlam-barotra? Iza no manana fahefana sy fiantraikany amin’ny faritra iray?
Ao anatin’izany, lasa ivon’ny fifaninanana vaovao ny firenena mahantra toa an’i Madagasikara. Mitodika aty ny mason’izao tontolo izao noho ny harena ankibon’ny tany, ny tany fambolena, ny angovo ary ny tanora maro eto.
Fa ny fanontaniana lehibe tokony hapetraka amin’izao firosiana amin’ny “Refondation” izao dia: Vonona ve i Madagasikara?
Mbola variana amin’ny fifidianana manaraka ve isika sa efa mieritreritra ny Madagasikara 2050? Mbola mifanditra hoe iza no hitondra ve isika sa efa mametraka vina hoe aiza no tokony hisy an’i Madagasikara ao anatin’ny 25 taona?
Ny zava-misy dia mihena ny fanampiana avy any ivelany, nefa mbola mila izany i Madagasikara, ary mbola namafisin’ny “Président de la Refondation” tamin’ny lahateniny farany teo fa miankina tanteraka amin’izany isika.
Mihamafy ny fifaninanana eo amin’ny firenena. Ary ireo firenena mahomby rahampitso dia ireo manana vina mazava sy rafitra matanjaka.
Tsy ampy intsony ny kabary. Tsy ampy intsony ny sary miaraka amin’ny mpamatsy vola. Tsy ampy intsony ny fananganana fotodrafitrasa vitsivitsy raha tsy misy drafitra lehibe mitondra ny firenena any amin’ny fampandrosoana maharitra.
Tokony hanontany tena isika rehetra indrindra indrindra ka misehetra amin’ny politika amin’ny ankapobehiny:
- Inona no vina iraisana ho an’i Madagasikara amin’ny taona 2050?
- Ahoana no hampivoarana ny fanabeazana?
- Ahoana no hamoronana asa ho an’ny tanora?
- Ahoana no hanodinana eto an-toerana ny harenantsika fa tsy hanondranana akora manta fotsiny?
- Ahoana no hampifandraisana an’i Madagasikara amin’ny Afrika sy ny Ranomasimbe Indianina?
- Ahoana no hiadiana amin’ny kolikoly sy hananganana fanjakana matanjaka?
Ny firenena mandroso dia tsy ireo manana harena betsaka indrindra, fa ireo manana vina mazava indrindra.
Ny tantara dia mampiseho fa ny firenena tsy manana vina dia lasa tarihin’ny hafa. Ny firenena manana vina kosa no mifehy ny hoaviny.
Madagasikara dia manana harena voajanahary, toerana stratejika eo amin’ny Ranomasimbe Indianina, ary tanora maro afaka mampandroso ny firenena.
Fa ireo rehetra ireo dia tsy hitondra fampandrosoana raha tsy misy firaisam-po, firaisan-kina ary vina nasionaly mazava.
Angamba izao no fotoana tokony hialantsika amin’ny politika mifototra amin’ny olona sy ny tombontsoa manokana, ka hidirantsika amin’ny politika mifototra amin’ny vina sy ny tombontsoan’ny taranaka ho avy.
Satria rehefa tapitra ny fifidianana rehetra, rehefa lasa ny fitondrana rehetra, dia zavatra iray ihany no hijanona:Inona no Madagasikara havela ho an’ny zanatsika sy ny zafintsika?





