Ny volana oktobra 2025 no nandositra an’i Madagasikara ny filohampirenena voafidim-bahoaka Andry Nirina Rajoelina. Izany dia nohon’ny fihetsiketsehana nataon’ny GenZ Ka nampisy olana ara-tsosialy sy politika teto Madagasikara.
Noraisin’ny Capsat izay miaramila notarihin’ny colonel Michael Randrianirina sy ireo mpanolotsaina efa-dahy ny fitondrana ka lasa filoham-panjakana ny colonel Michael Randrianirina ity.
Fanovana rafitra no niatombohan’ny tolona ankoatra ny resaka jiro sy rano izay fototry ny olana. Niova ho fanavaozana ilay fanovana tany amboalohany. Nandositra koa ireo forongony niaraka tamin’i Rajoelina to any Praiministra Ntsay Christian, Naina Andriatsitohaina, Ravatomanga Mamy izay migadra atsy Maurice, Hery Rasoamaromaka, Lalatiana Rakotondrazafy.
Folo volana aty aoriana dia tsy hita marina ilay fanovana sy fanavaozana. Toa Rakoto Zafy ihany no Raleksisy.
Niandrandra fiovana ny fitantanana ny raharaham-pirenena ny vahoaka. Indrisy anefa fa ny fanohizana ny asa tsy vitan’i Rajoelina ihany no mbola hita ataon’ny colonel Michael Randrianirina sy ny fitondrana Fanavaozana. Tsy misy miova fa ny teo aloha ihany no mbola miverina sy tsapa ankehitriny. Ny mpanao politika teo akaikin’ny filoha teo aloha avokoa no mbola ao amin’ny antenimieram-pirenena. Ny mpiasam-panjakàna ambony maro dia ireo niaraka tian’i Rajoelina sy ny miaramilan’i Ravatomanga sy Ntsay Christian. Manampy izany ireo mpanao politika nandositra teto Madagasikara teo aloha ka nialoka tany France. Samy efa nangalatra sy nanodikodina volam-panjakana ny sy fananam-panjakana avokoa izy rehetra ireo ary voasazin’ny fitsarana aza ny sasany . Ny hambom-pom-pirenena izay maha malagasy dia tsy hita intsony fa voamaika toe-tsaina hafa indray no misy ankehitriny. Tsy voafaritra mazava tsara ny tiana hahatongavana amin’iizay’.
Nampanantena fihaonambem-pirenena ny malagasy izay mihemotra hatrany ny fanantanterahana azy ny fitondrana ity.
Raha mitety an’i Madagasikara isika dia mahita sy mahatsapa fa tsy mihevitra izany fihaonambem-pirenena izany ny ankamaroan’ny malagasy.
Mila mamerina haingana ny fahatokisana napetrakin ny malagasy aminy ny fitondrana Fanavaozana amin’izao fa manomboka kivy leo zava-misy ny malagasy.
Mickael Randrianirina Manohy sy mamita ny zavatra nilaozan’i Andry Nirina Rajoelina nandositra
La gazette de la grande île
01/07/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5752666
Your IP Address: 52.178.138.108
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





