Nanampy ny olana momba ny fangalaran-jaza sy olona indray ny fiverenan’ny fitsaram-bahoaka tamin’ity volana Jona sy Jolay 2026 ity. Fanavaozana no nampanantenain’ny fitondrana Michael Randrianirina ka fitsaram-bahoaka sy fangalaran-jaza no nisy afaka valo volana taty aorian’ny nandraisany ny fitondrana. Tena nahazo laka ity zavatra roa ity amin’izao fotoana izao. Ny fandoroana olona velona tany Maintirano ny alahady faha 12 Jolay 2026 teo iny dia midika fa tsy fahatokisana ny vahoaka ny fitondrana intsony sy fitsarana. Tsy vitan’izany fa mbola nanafika ny biraon’ny polisy koa ny vahoaka ka farany dia nanaiky ny hamoaka ilay olona hanaovana fitsaram-bahoaka ny polisy. Tena zava-doza no dikan’izany eo amin’ny raharaham-pirenena. Mila mitady vaha olana maika amin’izany ny fitondrana ity satria misy dikany lehibe izany amin’ny fitantanana ny firenena ireny.
Mbola olana lehibe koa ny resaka hala-jaza ity satria dia tezitra mafy ny vahoaka ka mety hitarika fitsaram-bahoaka koa izany raha toa ka tsy mahita vaha olana maika amin’izany ny colonel Michael Randrianirina sy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo.
Ireo tranga ireo no olana lehibe eto Madagasikara ka mety hitatra zava-doza raha tsy mitandrina. Nitarika ny fahalemen’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina sy Andry Rajoelina ny raharaha toa io tamin’ny fotoana nitondrany.
Mila mailo ny vahoaka malagasy eo anatrehan’ny raharaha roa ireo. Tsy toklny hitaredretra ny FFKM satria ny fikaonandoham-pirenena ihany no vaha olana amin’izao olana sosialy sy politika izao.





