Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Sasanangy samy manana ny azy ireo fa tsy mitovy velively

La gazette de la grande île
13/07/202649 second read

Ny Filoham-pokotany na ny Prezida ny fokontany dia mpitondra eo anivon’ny fokontany izay manantanteraka ny fandaharan’asan’ny vahoaka nifidy azy ka manana komity miara-miasa aminy.
Ny sefom-pokontany indray dia ny sefon’ny distrika no lehibeny. Mpanatanteraka ny asa ampanaovin’ny sefon’ny distrika io sy ny fitondrana foibeny no asany. Ny asam-panjakana no ataony fa tsy idiran’ny fokonolona velively mihitsy izany. Voalazan’ny lalam-panorenana sy ny lalàna velona eto Madagasikara izany izay nofidiana tamin’ny andro ny Ravalomanana Marc ny taona 2002, ary mbola notohizan’i Andry Rajoelina koa ny taona 2010. Tsy nohazavaina amin’ ny vahoaka ny mampiavaka azy roa ireo fa nasaina nihinana ambolony fotsiny ny malagasy. Na nisy nanazava koa anefa dia tsy nohenoina satria tsangan olona no fidina mazana eto Madagasikara ka rehefa ampiharina ny lalàna vao izay no manohitra sy manenina toa ny misy ankehitriny io amin’ny fanoloana ny sefom-pokontany izao.
Dia azo antoka fa mbola hiverina ny toa izao raha tsy vita ny fanazavana tsara izay lalàmpanorenana holaniana amin’ny fihaonambem-pirenena io. Minoa izany isika.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top