Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Adin’ny Amerikanina sy njy Iranianina Tsy maintsy hiakatra ny vidin-tsolika eto Madagasikara

La gazette de la grande île
15/07/20262 minute read

Izao tontolo izao mihitsy no tsy maintsy mizaka ny vokatry ny ady any Iran izay ifanaovany amin’ny Amerikana. Voalaza manomboka omaly alatsinainy faha 14 Jolay fa niakatra 2 ka hatramin’ny 3% ny vidin-tsolika. Tena misy fiatraikany lehibe eo amin’ny toe-karena manerantany izany. Ny ady anefa mbola tsy fantatra izay hiafarany fa toa mbola nahazo vahana hatrany satria mifanafika mafy ny roa tonta manimba ireo toerana stratejika misy ny toby misy ny orinasa manokatra solika sy nokleary izay tantanan’ny amerikanina any Proche Orient sy Moyen Orient ka potehina ny Iraniana. Ankilany indray dia tsy mora ny daroka baomba ataon’ny Amerikanina any Iran izay manapotika ny orinasa stratejika Iraniana. Ny ato amin’ny delta d’Ormus dia tsy tenenina intsony ny ady ifanaovany ny roa tonta fa tapaka tanteraka ny fifamoivoizan’ny sambo lehibe izay mpitatitra solika. Ny 30%ny solika ampiasaina manerantany no mikantso amin’izao fotoana izao.

Tsy maintsy misy fiatraikany koa amin’ny famatsiana solika aty Madagasikara izany. Rehefa ny solika no mikorontana ny tsena dia tsy maintsy mikorontana koa ny tsena rehetra sy ny toe-karena. Ny eto Madagasikara manokana dia efa nametra ny solika azo ampiasan’ny mpitatitra ho 100 litatra isan’andro no azo vidiana eny amin’ny toby fivarotana solikaa manerana ny Nosy hoy ny OMH (office national des hydrocarbures) . Ampy ve io fanampahan-kevitra noraisin’ny fitondrana Fanavaozana tarihin’ny Kolonely Mickael Randrianirina ity ?

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top