Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ankety Parlemantera ao amin’ny Jirama Tsy maintsy ho voasaringotra ao koa i Andry Nirina Rajoelina sy ny forongony

La gazette de la grande île
18/07/202654 second read

Manomboka natao fanadihadiana teny amin’ny antenimieram-pirenena ny raharaha fanodikodinam-bola sy ny fanamparam-pahefana nataon’ny mpitondra teo aloha sy ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina. Ny Tale jeneraly ny Jirama no nanaovana fangalana am-bavany voalohany izay ataon’ny depiote nanomboka ny alakamisy faha 16 Jolay 2026 teo. Zavatra maro no fanontaniana nataon’ny depiote izay tariny filohan’ny fanadihadiana parlemantera Pety Rakotoniaina depiote voafidy tao Ikalamavony. Ity resaka Jirama izay orinasam-panjakana miandraikitra ny famatsiana jiro sy rano eto Madagasikara ity no fototra nionganan’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina ny taona 2025.
Be dia be ny hosoka, ny kolikoly avo lenta ao amin’ity orinasam-panjakana ity. Ny famatsiana » groupe », ny halatra ataon’ny mpiasa sy ny fanamparam-pahefana ataon’ireo mpitondra hatrany amin’ny taona 2001.
Raha ny fitazanana ny raharaha avy ety ivelany dia tsy maintsy tafiditra ao amin’ny kolikoly avolenta ao amin’ny Jirama ity ny filoha Andry Nirina Rajoelina sy ny forongony.
Enganie ka tsy hisy indray ny depiote ho voavidy volan’ny mpanam-bola karana sy ireo mpitondra teo aloha izay hita fa isan’ireo manao ampihimamba amin’ity raharaha ity ka mahatonga izao fahantrana goavana eto amin’ny firenena izao.
Andrasan’ny malagasy maro izay ho vokatr’izany fanadihadiana parlemantera izany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top