Ny 80%ny volan’ny teti-bolam-panjakana no lasan’ny orinasa Jirama isan-taona. Lasan’ireo mpampanofa « groupe » fotsiny ireo vola ireo ka niteraka ny fatiantoka ho an’ity orinasam-panjakana ity. Nanambara androany alatsinainy faha 20 Jolay 2026 ny filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko sy ny filohan’ny vaomiera momban’ny fanadihadiana parlemantera ny raharaha mahakasika ny Jirama fa Fanandevozana sy fanapotehina ny malagasy ary fanambakana no ataon’ireo olona sy orinasa mpampanofa sy mivarotra angovo amin’ny orin’asa Jirama ity.
Nanomboka ny taona 2018 no nitrangan’izany fanapotehana ny orinasa Jirama izao ka nahatonga ny fahamafisan’ny krizy ny jiro sy ny rano iny ka naharava n’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina ny taona 2025 lasa teo.
Ny tena olana goavana dia ny tsy fanajana ny fifanarahana izay nataon’ireo olona mpandraharaha mivarotra angovo amin’ny Jirama ireto satria dia miovaova matetika ny fifanarahana ataon’izy amin’ny Jirama sy ny fitondrana teo aloha izay notarihin’ny Andry Nirina Rajoelina iny. Tsapa fa misy zavatra maizina sy maloto tao. In-8 no nanovaova fifanarahana izany izy ireo ka tsy nijery raha tsy ny fanandevozana sy ny fanapotehana ity orinasa ity . Ny mahagaga dia neken’ny mpitantana ny Jirama sy ny mpitondra teo aloha izany. Mahatratra 47 no tobin’ny Jirama hanaovana fanadihadiana parlemantera.
Raha naka ohatra ny zava-misy tany amin’ny Jirama Antsiranana dia hosoka tanteraka no azo lazaina ary fangalarana avolenta no nitranga tany. Tsy narahana mihitsy ny fifanarahana nefa dia tsy maintsy naloa ny volan’ny orinasa tsy n’a ara-dalàna ity ary nampitomboana koa aza Hatramin’izao dia tsapa fa feno kolikoly sy hosoka avolenta ity raharaha ny orinasa Jirama ity. Nilaza ny filohan’ny Antenimierampirenena fa efa mandeha ny fandrahonana ataon’ireo mpampanofa herinaratra sy « groupe » ireo ny mpanao fanadihadiana ity ka mampitandrina azy ireo ity fitondrana ity. Hanao tatitra matetika ny vokatr’ity fanadihadiana ity ny filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko sy ny vaomiera ny fanadihadiana parlemantera ity. Dia ho hitan-tsika eto ny tohin’ny raharaha ity. Miara miasa amin’izao ny avy ao amin’ny « cour des comptes »
Fanadihadiana parlemantera ao amin’ny Jirama Fanandevozana sy fanapotehina ny malagasy no nataon’ireo mpampanofa groupe
La gazette de la grande île
20/07/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5773778
Your IP Address: 154.30.105.213
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





