Taonjaton’ny fifampiankinana izao taonjato faha-21 izao.
Ankehitriny, tsy ny krizy na ny ady intsony no loza lehibe indrindra atrehin’ny firenena. Ny tena loza dia ny tsy fisian’ny fampandrosoana sy ny fandavana hiara-hiasa amin’ny hafa. Izay firenena misafidy hitokana sy tsy handray anjara amin’ny fifanakalozana, ny fahalalana, ny fanavaozana ary ny fiaraha-miasa amin’ny hafa dia ho taraiky ary tsy haharaka ny fandrosoan’izao tontolo izao.
Tokony ho tsapan’ny Malagasy rehetra izany. Tsy handroso i Madagasikara raha miantehitra amin’ny fitokana-monina na miandry fanampiana avy amin’ny hafa fotsiny. Ny hoavintsika dia miankina indrindra amin’ny fahafahantsika manangana sy manamafy ny andrim-panjakantsika, mampiasa tsara ny harenantsika sy ny talentantsika, sady miara-miasa amim-pahendrena amin’izao tontolo izao.
Ao anatin’ity tontolo tena mifamatotra ity, ny tsy fampandrosoana sy ny tsy fiaraha-miasa no lasa loza lehibe indrindra manohintohina ny fandrosoana.
Tsy tokony hofidintsika intsony ny hoe: fiandrianam-pirenena sa fiaraha-miasa. Ny tena fanamby dia ny fananganana firenena matanjaka sy manana andrim-panjakana matotra, mba hahafahantsika miara-miasa amin’ny hafa amim-pitoviana sy amim-panajana.





