Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Raharaham-pirenena Manomboka mi-grevy ireo olona tsy faly amin’ny fitantanana

La gazette de la grande île
30/07/20260 second read

Tao anatin’ny telo andro izay dia ny alatsinainy, talata, alarobia faha 29 Jolay 2026 teo dia naneho hevitra ny vahoaka sy ny vondron’olona izay mahatsapa fa tsy mandeha ny raharaha eto amin’ny firenena.
Tany Mahajanga tamin’ny talata teo dia ni-grevy ny mpanarato madinika eo anatrehan’ny fanjonoana tsy ara-drariny ataon’ireo mpanarato vaventy izay voalazan’izy ireo fa nomen’ny ministeran’ny jono alalana ka manampatra izany fahazoan-dalana izany..
Tany Mahanoro any amin’ny faritra atsinanana indray dia nitokona ireo mpitatitra amin’ny lakan-drano ny Mpangalana fa tsy manao ny asany APMF izay miandraikitra ny fitanterana an-drano. Lalana tokony hataon’ ny lakana misy motera ao anatin’ny 3 andro dia lasa tapa-bolana ankehitriny ao Mahanoro ka hatrany Mananjary.
Ny mpampianatra mpitsara ny fanadinana bakalorea any amin’ny faritanin’i Toliara dia ni-grevy tsy mety mitsara ny fanadinana raha tsy aloan’ny fanjakana ny sandan’ny vola fitsarana tamin’ny taona 2025 ary ampitomboina ny sandan’ny fitsarana amin’ny taona 2026 ity.
Ny ao an-tanana ny Toamasina dia nifamory fa hanao grevy indray nohon’ny fahatapahan’ny jiro ao amin’ny Jirama matetika sy mitohy elabe.
Izy rehetra ireo dia samy milaza avokoa ny hijeren’ny fitondrana Fanavaozana izao vaha olana maika mba tsy hitohizan’ny grevy.
Tokony hijery akaiky ireo zavatra ireo tokoa ny filohan’ny Fanavaozana ny Colonel Michael Randrianirina mba tsy hitaran’ny raharaha.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top