ny fitsaram-bahoaka tato anatin’ny roa volana teo izay nisian’ny seho nitranga tany Vohemaro nanafihan’ny vahoaka ny kaomisaria ny polisy ka nanapotehany ny birao fiasana. Taorian’izay dia notafihin’ny vahoaka koa ny birao ny brigady ny zandary tao Maintirano ka novonoin’izy ireo ilay olona nosamborin’ ny zandary.
Tany Ambositra indray dia nodoran’ny olona ny tranon’ny vehivavy iray izay voalaza fa namono an’i Larissa. Izany no nitranga moa dia hatezeran’ny vahoaka noho ny tsy nahitany ireo voapanga fa namono an’ity tovovavy kely ity. Nisy koa mangazay iray izay norobain’ny olona satria an’ny fianakavian’ireo voapanga. Ny farany teo dia ny nitranga tany Ambohimahasoa izay nanenjehan’ny vahoaka an’ilay polisy nitifitra nahafaty olona ka saika ny biraon’ny polisy koa no nopotehin’ny vahoaka.
Mampiahiahy ihany koa ny hisian’ny fitsaram-bahoaka raha toa ka mahita izay olona tratra fa nangala-jaza ny vahoaka. Hita taratra amin’ny fanehoan-kevitra any amin’ny facebook izany.
Mampatahotra ny toe-draharaha eto Madagasikara fa raha tsy mitandrina ny olona rehetra fa indrindra ny mpitondra fanjakana dia mety himpidi-doza hoan’ny firenena izao zavatra miseho izao
Fitsaram-bahoaka Tady hahazo vahana indray
La gazette de la grande île
01/08/2026•50 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5783871
Your IP Address: 102.68.194.108
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





