Raha mbola nanao fivahiniana masina tany Ankaramalaza ny filohan’ny Fanavaozana ny Colonel Michael Randrianirina, ny filohampirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina ary Marc Ravalomanana ny alabady faha 2 Aogositra 2026 amin’ny maha mpiandry azy ireo sy maha kristiana azy dia ny alina io ihany tany Toamasina dia may ny tsena ao Bazarikrly. Herinandro tao alohan’io dia nisy fahamaizana koa ny tsenan’ Anosibe teto Antananarivo. Inona no ifandraisanireo? Fanakorontanana koz ve? Ny tena mampalahelo anefa dia mbola tsy afaka akory ny takaitra izay navelan’ny rivo-doza Gezani tao Toamasina ka nahapotika ity tanana ity 90% mbola volana vitsy lasa izay.
Zava-dehibe ny fahitana ny famonoana olona mahavoarohirohy ny sefo Cisco eto Antananarivo renivohitra iny. Enganie ka tena ho tratra ny atidoha mpanao ireo fanaovana sorona ataon’ny tsy mataho-tody manapotika ny firenena. Amin’ny sorona toa ireny dia mazàna olona maromaro no anatin’izy ireny ka tokony hotohizana hatrany ny fanadihadiana mba tena hahitana ireo fahavalom-pirenena ity. Inoana fa tsy mandeha irery ity sefo Cisco ity fa tsy maintsy misy olona ngezalahy maro miaraka amin’ izy telo mianadahy voasambotra ireo. Azo lazaina fa « réseau » na fikambanana lehibe mihitsy izy ireny. Malaza be ity resaka fanaovana sorona ity eto Madagasikara ka inoana fa misy ifandraisany amin’ny fanakorontanana eto amin’ny firenena izany.
Raha tsy voafongotra hatramin’ny farany ity resaka halatr’olona ity dia handry tsy lavoloha hatrany ny vahoaka ka tsy hilamina ny tany





