Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Accord politique Fihaonambem-pirenena no tadiavin’ny vahoaka

La gazette de la grande île
04/08/20262 minute read

Nandeha dia nandeha ny resaka tato anaty ny herinandro mahery izay fa hisy fifanarahana hataon’ireo filohampirenena teo aloha dia Ravalomanana Marc, Hery Rajaonarimampianina ary Andry Nirina Rajoelina miaraka amin’ny colonel Michael Randrianirina izay filoham-panjakana ankehitriny noho ny fitakiana nataon’ny GENZ sy ny vahoaka teny an-kianja tamin’ny volana Septambra sy oktobra 2025. Ny fihaonan’i Ravalomanana Marc sy Hery Rajaonarimampianina ary ny colonel Michael Randrianirina teny Iavoloha sy tany Ankaramalaza Vohipeno dia azo lazaina fa manamarina ny hisian’izany fifanarahana izany ka ho hitantsika eo ny fahamarinany tsy ho ela.
Mitaky fanovana rafitra ny vahoaka malagasy na Fanavaozana ka nitondrana ny raharaham-pirenena ho amin’izao fitondrana Fanavaozana izao.
Ny fihaonambem-pirenena no ifanarahan’ny malagasy ho lanana handehanana sy hanatratrarana ny fanavaozana ankehitriny hirosoana amin’ny Repoblika faha dimy fa tsy izany « accord politique » izany velively. .
Eo anatrehan’ny feo mandeha ankehitriny fa hihaona izy efa-dahy filohampirenena teo aloha dia Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina, Andry Nirina Rajoelina sy Colonel Michael Randrianirina filoham-panjakana ankehitriny dia maro ny feo mandeha eny anivon’ny tontolo politika fa tafiditra amin’ny vela-pandrikin’ny firenena tandrefana sy ny Sadec ary ny frantsay sy ny Kaomity iraisam-pirenena ny filoham-panjakana ny colonel Michael Randrianirina.
Hoan’ny vahoaka malagasy dia ny fanaovana ny fihaonambem-pirenena ihany no vaha olana amin’izao krizy politika eto Madagasikara fa tsy izany « accord politique » izany izay amporisihan’ny Sadec sy ny sehatra iraisam-pirenena. Tadiavina haverina indray ny tranga tamin’ny 2009-2013. Ireo filoha telo lahy ireo izay efa samy naloan’ny vahoaka malagasy avokoa. Raha manao izao « accord politique » izao ny colonel Michael Randrianirina dia ho voafitaka izy ka hanary ny fahatokisan’ny vahoaka malagasy azy ka hanahirana azy izany raha tsy mitandrina izy

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top