Na ny halatra olona na ny halatra olona varira dia efa samy ahitana ireo olona mpivarotra sy mpangalatra azy ireny no mbola tratra ny ampahany hatramin’izao. Araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo dia hanaovana sorona no anton’ny fangalarana mba hahazoana volabe ary hahazoana hery manokana hitazonana fahefana sy fitondrana
Ny teto Antananarivo dia ny sefo Cisco no isan’ireo olona tratra tamin’izany ka olona telo izy no voasambotra satria mpikambana amin’izany « loge australe » izany. Ny azo inoana dia tsy ny sefo Cisco ihany sy ireo olona roa nosamborina ireo irery ihany no mpikambana ao amin’ity « loge australe » ity fa tsy maintsy olona maro no mpikambana ao. Misy sefony io ary misy sokajiny koa. Iza ireo olona ireo ary nahoana no tsy nosamborina? Alefaso lalina ny fanadihadiana dia tsy maintsy fantatra ireo olona ireo izay azo lazaina fa atidoha amin’ity halatr’olona ity. Avereno ny fanadihadiana ilay sefo Cisco fa tsy maintsy fantatra avokoa izy rehetra ireo.
Mahakasika ny zazavarira indray dia hita fa mandroso ny fahitana ireo tambazotra mpangalatra azy ity fa saingy mbola tsy azo ny mpividy na ny lehibeny mpividy azy.
Na ny tany Betroka na ny tany Vangaindrano dia samy milaza avokoa fa eto Antananarivo no misy ny mpividy azy io.
Iza ireo mpividy ireo satria efa hatramin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina sy Andry Nirina Rajoelina no nahazo vahana teto Madagasikara ny fangalarana olona toa izao.
Raha mbola tsy azo ny atidoha mpividy ity halatr’olona ity dia mbola tsy hitsahatra ity raharaha ity.
Halatra olona Karohy ary avoahy ny anaran’ireo mpividy
La gazette de la grande île
06/08/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5789476
Your IP Address: 216.73.216.125
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





