Arangarangan’ny mpanao politika eto Madagasikara indray ny antsoina hoe « accord politique » izay ahitana ny mpanao politika rehetra.
Avy hatrany dia nizesta ingahy Ratsirahonana Norbert Lala niala sary niaraka tamin’ny filoha Michael Randrianirina teny Iavoloha andro vitsy lasa izay. Avy hatrany dia hoy ny vahoaka malagasy hoe « voafitaka ny filohan’ny Fanavaozana ny Colonel Michael Randrianirina » ity.
Nanapotika zavatra maro teo amin’ny firenena ity Ratsirahonana Norbert Lala ity. Avadiho ny pejy politika sy ny tantaran’ny firenena nanomboka ny taona 1991 dia ho hitanao ao ny fanapotehana an’i Madagasikara nataon’ity olona ity. Fivarotana ny « patrimoine » na ny fananan’ny fanjakana ka ny tena lehibe amin’izany ny tranom-panjakana marobe. Raha ny fanonganam-panjakana nisy teto Madagasikara dia nahitana an’i Norbert Lala Ratsirahonana avokoa nanomboka ny taona 1991 io. Hatramin’ny fivadibadihana palitao fanarahana izay filohampirenena nitondra teto hatramin’ny Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Ravalomanana Marc, Andry Nirina Rajoelina, ary Hery Rajaonarimampianina dia samy nolalaovina sy nofitapitahiny ary naongana avokoa rehefa avy nandray azy ho mpanolontsaina tao amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Santionany ireo amin’ny zava-doza nataon’i Norbert Lala Ratsirahonana
Tsy nahafaly ny olona koa ny fahitana an’i Colonel Michael Randrianirina nivory tamin’i Ravalomanana Marc sy Hery Rajaonarimampianina tamin’ny herinandro lasa iny. Olona efa nanapotika firenena avokoa izy ireny ary naloan’ny vahoaka. .
Raha mitohy izao « accord politique » izao dia ho tonga koa i Andry Nirina Rajoelina izany hivory hiaraka aminy?
Enganie ka tsy ho tafiditra ao anatin’ny vovon’ny’ ny mpanao politika efa naloa bahoaka ny filohan’ny Fanavaozana ny Colonel Michael Randrianirina fa zava-doza no hitranga satria tsy ho tanteraka mihitsy izany fanavaozana tadiavin’ny firenena izany.
Norbert Lala Ratsirahonana Voafitaka sahady ny Colonel Michael Randrianirina
La gazette de la grande île
10/08/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5793043
Your IP Address: 77.205.18.100
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





