Isan’ny nanaitra ny olona maro teto amin’ny firenena ny fihaonana nisy teo amin’ny filohan’ny fanavaoza ny colonel Michael Randrianirina sy ny filohan’ny mpanohitra ny depiote Milavonjy izay avy amin’ny antoko Irmar na isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina tany Ambovombe Androy ny faran’ny herinandro teo.
Tsotra ny fanazavana nentin’ny filohan’ny fanavaozana ny colonel Michael Randrianirina fa ny fiarahana toa izao dia tsy midika velively fa tsy mpanohitra intsony ny IRMAR.
Miteraka resabe eo amin’ny tontolo politika iny fihaonana iny toa ny fandraisan’ny olona sasany azy amin’ny lafiny ratsy. Toa ny fandraisany ireo mpanao politika izay efa naloan’ny vahoaka koa teo aloha sy ireo forongony izay mahabe resaka eto Madagasikara ankehitriny tamin’ny alalan’ny « accord politique ».
Zava-dehibe ny fihavanana eto firenena amin’ny fotoana mikorontana politika toa izao ka ilaina ny hevitry ny rehetra na dia mpanohitra aza. Ny fihaonambem-pirenena dia hoan’ny daholobe ka hamaritra ny hoavin’i Madagasikara indray.
Aoka ny fitsarana no hanameloka ireo mpangalatra, mpanao kolikoly, manapotika ny firenena fa ny fitantanana ny raharaham-pirenena kosa dia hoan’ny filohampirenena na ny filoham-panjakana. Ny vahoaka malagasy manontolo sy ireo izay mipetraka eto Madagasikara na tsara na ratsy, na adala na hendry ary na manankarena na mahantra, tsy misy azo ahilika.
Mahalala ny tokony hataony ny filohan’ny Fanavaozana ny Colonel Michael Randrianirina ka ho hitantsika eo ny tohiny fa avelao izy hitondra ny tetika fantany fa mety aloha fa izay ‘ô antom-pisiany eo.
Raharaham-pirenena sy fanavaozana Michael Randrianirina nidinika sy nivory tamin’ny filohan’ny mpanohitra
La gazette de la grande île
17/08/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5800242
Your IP Address: 102.68.198.162
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





