Eo anatrehan’ny fangatahana hahazo fahazoan-dalana fahafahana vonjimaika sandana volabe amin’ny fitazonana azy ao am-ponja ny Melrose atsy Maurice noho ny raharaha famotsiambola sy fanodikodinana volam-panjakana ary kolikoly iraisam-pirenena dia miresaka ity raharaha ity avokoa no resaka eo ami’ny mpanaraka ny politika sy ny mpanara-baovao eto Madagasikara.
Androany talata faha 18 Aogositra 2026 no hamoaka ny fehin-kevitra makasika izany ny fitsarana Maorisiana.
Hoan’ny vahoaka malagasy dia Ravatomanga Mamy no fototry ny tsy fahombiazana tamin’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina iny ka nahatonga ny malagasy mahantra toa izao, Izy no nibaiko ny filohampirenena sy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tetika niarahany tamin’i Andry Nirina Rajoelina avokoa ny fitantanana ny firenena nopotehina nohon’ny fitiavan-tena be diso tafahoatra iny ka nampanjaka ny kolikoly, ny fanodikodinana volam-panjakana, fanondrana antsokosoko ny volamena sy ny vatosoa ary ny andramena teto Madagasikara ireny. Tsy ireo ihany fa mbola nanjakany koa ny tsenambarotra teo amin’ny fanjakana. Niarahana mahita fa nirongatra be ny fangalarana zazavarira sy taova ary ny trafika ny rongony avy any ivelany toa ny rôrô sy cocaïne. Vola be dia be no nanaovana kolikoly teto Madagasikara nahapotika ny lalam-pirenena sy ny jiro sy ny rano tao amin’ny Jirama.
Samy nandositra avokoa izy telo lahy ireo raha vao nahita fa lasan’ny Capsat notarihin’ny colonel Michael Randrianirina ny fitondrana nohon’ny tolona nataon’ny GenZ izao.
Be dia be ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Erinaivo fony izy mbola nialokaloka tany Paris rehefa manambara ny kolikoly sy ny halatra ary ny fanamparam-pahefana nataon’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina sy Ravatomanga Mamy ary Ntsay Christian iny sy ny forongony.
Koa na inona na inona no vokatry ny fangatahana fahazoana fahafahana vonjimaika ataon’i Ravatomanga Mamy any Maurice dia mbola tsy ho afa-maina amin’ny fitsarana Malagasy izy na ho ela na ho haingana. Ho hitan-tsika eo ny tohiny.
Ravatomanga Mamy Miandry azy ny fitsarana Malagasy
La gazette de la grande île
19/08/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5801492
Your IP Address: 78.203.202.100
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





