TSY MISY FANARENANA RAHA TSY MISY FAHAMARINANA SY RARINY
Misy olona milaza amin’izao fotoana izao fa : “Tsy hisy ny Fanorenana Vaovao raha tsy misy ny fampihavanana sy ny fampitoniana.”
Marina fa ilaina ny fandriampahalemana. Ilaina koa ny fampihavanana. Tsy misy olona te hahita fifandirana sy korontana mitohy eto amin’ny firenena.
Saingy mila mametraka fanontaniana mazava isika :
Fampihavanana inona no resahina? Iza no hampihavana amin’iza? Ary inona no tokony ho fototry ny fampihavanana?
Raha fampihavanana eo amin’ny vahoaka no resahina, dia zavatra tsara izany.
Fa raha fampihavanana eo amin’ireo mpanao politika izay efa nanao ratsy tamin’ny fanjakana, na olona mbola ahiahiana amin’ny fanodinkodinana volam-bahoaka, fanararaotam-pahefana, na raharaha momba ny harena voajanahary, ka ny tanjona dia ny tsy hiresahana intsony ireo raharaha ireo, dia mila mitandrina isika.
Tsy fampihavanana izany. Fanafenana ny marina izany.
Tsy tokony hatao hoe “fampitoniana” ny fampanginana ny vahoaka
Misy olona miteny hoe :
“Aoka izay ny ady. Aoka izay ny firesahana ny lasa. Mila mijery ny ho avy isika.”
Eny, mila mijery ny ho avy isika.
Fa tsy midika izany hoe tokony hohadinointsika ny lasa.
Raha misy volam-bahoaka very, mila fantarina hoe aiza no nalehany.
Raha misy fanodinkodinana volam-panjakana, mila fantarina ny marina.
Raha misy harena voajanahary nalaina na nampiasaina tamin’ny fomba tsy ara-drariny, mila hazavaina izany.
Raha misy olona nampiasa ny fahefam-panjakana ho tombontsoany manokana, mila jerena ihany koa izany.
Tsy fankahalana olona izany.
Fa Adidy amin’ny firenena izany.
Tsy tokony hohadinointsika fa ny vola an’ny fanjakana dia volan’ny vahoaka. Ny harena voajanahary dia harenan’ny firenena, fa tsy fananan’olona vitsivitsy.
Tsy tokony hisy olona ambonin’ny lalàna
Tena tsotra ny zavatra takiana :
Tokony hitovy eo anatrehan’ny lalàna ny rehetra.
Raha olon-tsotra no ahiahiana amin’ny halatra na fanodinkodinana, dia anaovana fanadihadiana.
Raha olona manana fahefana no ahiahiana, dia tokony hohadihadiana ihany koa.
Raha mpanao politika no voatonona amin’ny raharaha iray, tsy tokony hiaro azy ny toerana misy azy.
Tsy midika izany hoe tokony hotsaraina mialoha ny olona iray.
Ny fitsarana no tokony hametraka ny marina.
Fa ny zavatra tsy azo ekena dia ny hoe : rehefa olona nanana ma manana fahefana no voakasika dia lazaina hoe :
“Aoka izay, aza asiana resaka intsony. Mila fampihavanana isika.”
Fa rehefa olon-tsotra kosa no voakasika, dia mandeha ny lalàna.
Izany ve no atao hoe Fanjakana tan-dalàna?
Tsy fanovana olona fotsiny no atao hoe Fanorenana Vaovao
Raha tena “Fanorenana Vaovao” no tadiavintsika, tsy ampy ny manova olona eo amin’ny fitondrana.
Tsy ampy koa ny manao kabary vaovao.
Tsy ampy ny mamorona rafitra vaovao.
Ny tena fanorenana vaovao dia rehefa miova ny fomba fitondrana ny firenena.
Tsy maintsy misy :
- mangarahara amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka ;
- ady tena izy amin’ny kolikoly ;
- fitsarana afaka miasa tsy misy tsindry ;
- fanaraha-maso hentitra ny volam-panjakana ;
- fiarovana ny harena voajanahary ;
- ary indrindra, andraikitra sy sazy rehefa misy heloka voaporofo.
Raha olona vaovao ihany no apetraka, nefa mbola mitovy ny fomba fanao, dia tsy fanorenana vaovao izany.
Fiovan’olona fotsiny no nitranga.
Mijery ny tanora.
Mijery izy ireo hoe ahoana no fomba itondrana ny firenena.
Raha hitan’ny tanora fa izay manana fahefana dia afaka manao izay tiany, ary rehefa misy olana dia miafina ao ambadiky ny teny hoe “fampihavanana”, inona no lesona raisiny?
Mety hino izy ireo fa tsy ilaina ny fahitsiana.
Mety hino izy ireo fa ny fahefana no miaro olona fa tsy ny lalàna.
Ary izany no tena mampidi-doza ho an’ny hoavin’ny firenena.
Fampihavanana eny. Fa tsy famelana ny tsy rariny
Tsy manohitra ny fampihavanana isika.
Tsy manohitra ny fihavanana isika.
Tsy manohitra ny fandriampahalemana isika.
Fa mila fantarina tsara ny dikan’ireo teny ireo.
Ny fampihavanana tsy midika hoe mamafa ny marina.
Ny famelan-keloka tsy midika hoe tsy misy intsony ny andraikitra.
Ny fandriampahalemana tsy midika hoe hampanginina ny vahoaka.
Ary indrindra :
Ny Fanorenana Vaovao tsy afaka mijoro eo ambonin’ny tsy fahamarinana sy ny tsimatimanota.
Raha misy olona nanao heloka, aoka ny fitsarana no hitsara azy.
Raha tsy nanao heloka kosa izy, aoka ny fitsarana ihany no hanamarina izany.
Izany no rariny.
Izany no tokony ho Fanjakana tan-dalàna.
Iza no tena tokony hampihavanina?
Tsy ny mpanao politika ihany no tokony hifampihavana.
Ny tena tokony haverina hino ny Fanjakana dia ny vahoaka.
Vahoaka izay reraky ny fampanantenana.
Vahoaka izay te hahafantatra izay mitranga amin’ny volany.
Vahoaka izay te hahita ny harena voajanahary ampiasaina ho an’ny tombontsoan’ny firenena.
Vahoaka izay te hahita fa mitovy eo anatrehan’ny lalàna ny olon-tsotra sy ny manam-pahefana.
Izany no tena fampihavanana ilaintsika.
Fampihavanana eo amin’ny vahoaka sy ny Fanjakana.
Noho izany, aza afangaro ny fampihavanana sy ny fanafenana ny marina.
Aza afangaro ny fandriampahalemana sy ny fampanginana ny vahoaka.
Aza afangaro ny famindram-po sy ny tsimatimanota.
Raha tena te hanorina firenena vaovao isika, dia tsy maintsy sahy mijery ny marina.
Ny marina aloha. Ny rariny manaraka. Avy eo ny fampihavanana.
Satria raha tsy misy ny marina, tsy hisy ny fitokisana.
Raha tsy misy ny rariny, tsy hisy ny fihavanana maharitra.
Ary raha mbola misy ny tsimatimanota, tsy mbola tena misy ny Fanorenana Vaovao.
Tsy mila fifanarahana miafina eo amin’ny samy mpanao politika ny vahoaka. Mila Fanjakana marina, akaiky ny vahoaka madio ary mijoro amin’ny lalàna izy.
Izany no tena Fanorenana Vaovao.





