Lasa ady hevitra ary misy minia mampiady sy mampifandrafy ny Malagasy amin’izao fotoana: afovoantany sy anindrantany.
Hiverina any amin’ny taona 2013 isika hanomezana fanazavàna mikasika ity resaka adim-poko sy fanavakavahana ity.
Tsy afaka nilatsaka ho kandidà i Andry Rajoelina ny taona 2013 koa ny jeneraly Camille Vital no neken’ireo mpiara-dia taminy ho kandidàn’ny HAT. Efa nanana ny biraony teny Ivandry mihitsy ny kandidà Camille Vital.
Tsy neken’i Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga nefa izany ka dia nolavina ny maha kandidà an’ny jeneraly Camille Vital. « Fanjakana efa am-pelatanan’ny Merina ve homena ny tanindrana indray », hoy ireto farany. Mbola vavolombelon’izany teny mamohehitra nisakanana ny maha kandidà ny jeneraly Camille Vital izany, ny ambasadaoro Mamy Ratovomalala, izay nisintaka niala tsy ho isan’ireo ekipan-dRajoelina sy Ravatomanga, ka nanohana ny jeneraly Camille Vital ary nanangana ny foibeny teny Andraharo. Nihazakazaka nanao ilay fifidianana izay ho kandidà hotohanan’ny antoko TGV teny Andranomena haingana ry Andry Rajoelina, ka lany tamin’izany i Edgard Razafindravahy. Namoahana IST ny jeneraly Camille Vital sy Mamy Ratovomalala taorian’ny fihononana voalohany; nanohana ny kandidà TIM tamin’izany, Jean Louis Robinson nandritra ny fihodinana faharoa.
Mazava araka izany fa noho ny maha zanaky ny Faritra ny jeneraly no nisakanana ny maha kandidà azy, tsy vitan’izany fa nolatsain’i Andry Rajoelina hatramin’ny grady maha jeneraly azy tamin’ny hainoamanjery ary nampangainy ihany koa fa niketrika ny famonoana an’i Marc Ravalomanana.
Fampiadiana foko tsotra izao ary fankahalàna ny zanaky ny Faritra no nibaiko an’i Andry Rajoelina ary ireo olona akaiky azy. Porofon’izany, nataon’i Ravatomanga ampihi-mamba avokoa ireo harena tany amin’ny Faritra: tany, volamena, letisia, lavanila, sns. Nataon’izy fitaovana nakàna sy nitazonana fahefana fotsiny ny zanaky ny Faritra. Ny marina nefa, mpanavakavaka ara-poko izy ireo, porofon’izany ny raharaha Camille Vital.
Andry Rajoelina: Mpanavakavaka ara-poko
La gazette de la grande île
08/09/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5826369
Your IP Address: 5.49.82.152
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





