Amin’izao dinika fanomanana ny Fifidianana izao,misy kandidà miteny hoe:
« Efa ela no tsy nadio sy tsy nangarahara ny fifidianana. Ataovy madio ny lalao, dia ho hita izay tena tian’ny vahoaka. »
Marina izany. Fa mba tokony hapetraka aminy koa ity fanontaniana tsotra ity:
Avy aiza marina ny vola ampiasainareo amin’ny propagandy? Iza no mamatsy? Ary ohatrinona no tena laniana?
Tsy azo atao ny mitaky fifidianana madio nefa tsy mangarahara ny momba ny vola entina hanaovana propagandy.
Satria ny ankamaroan’ny Malagasy dia mbola miaina ao anatin’ny fahasahiranana sy ny fahantrana. Ny vahoaka tsy mila fampanantenana poakaty fotsiny, fa mila mangarahara, fahitsiana ary fanantenanaamin’ny ho avy.
Ary ho an’ireo efa nitana andraikitra tao amin’ny fitondrana, tokony hazava koa hoe: ahoana no nampiasana ny volam-bahoaka sy ny fananam-panjakana nandritra ny fotoana nitondrana?
Satria tsy an’ny mpitondra ny fananam-panjakana. An’ny vahoaka.
Ka raha tena tiana ny “lalao madio”, dia aoka tsy ny vatom-pifidianana ihany no hadihadiana.
Ao anatin’ny fananganana sy fanavaozana ifotony ny firenena, ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra dia tokony ho an’ny rehetra, indrindra fa ireo mitaky ny fitokisan’ny vahoaka.
Tsy ampy ny miteny hoe “ataovy madio ny lalao”. Tokony samy vonona hilalao madio avokoa.
Ambava omana, am-pieritreretana. Aza miteny fotsiny, fa mieritrereta sy mandiniha koa.





