Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Naina Andriantsitohaina: Maika ny fanagiazana ireo fananany

La gazette de la grande île
10/09/202650 second read

Tompon’antoka voalohany tamin’ny fangalarana 11 miliara Ar tao amin’ny CNAPS i Naina Andriantsitohaina izay tafandositra any ivelany tamin’ny fomba mahavariana. Nilaza tsy hanao politika intsony ity ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha ity kanefa mbola manohana sy manampy ireo mpiray petsapetsa taminy. Mbola eo am-pelatanany avokoa ireo hainoamanjery (imprimerie NIAG) izay azo antoka fa hiasa mandritra ny fampielezan-kevitra mandritra ny fifidianana ho avy, kanefa tokony hogiazana manoloana io halatra 11 miliara Ar tao amin’ny CNAPS io.
Toraka izany koa ireo orinasa maro, raha tsy hiresaka afatsy ny BMOI izay mampiasa vola ary isan’ireo banky nampiasain’i Mamy Ravatomanga namotsiana vola sy nangalarana ny volam-bahoaka.
Maika araka izany ny fanagiazana ny fananan’i Naina Andriantsitohaina, ho antoka amin’ny famerenana ireo vola nangalariny tao amin’ny CNAPS, sady ho fanapahana ny famatsiana sy ny fanampiana ireo tsy maty voalavo an-kibo te hiverina eo amin’ny fitondrana, hanohizana indray ny fambotriana firenena.
Izy moa nilaza ny tsy hanao politika intsony, fa ilay dadarabe any Toliara koa ve izany ho avelany amin’izay, satria dia nilalao ody gasy tokoa ny tenany!

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top