Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ntsay Christian: Lehiben’ny halatra

La gazette de la grande île
10/09/20262 minute read

Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ny momba ny praiminisitra teo aloha Ntsay Christian manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Izy no lehiben’ny fitantanan-draharaha (patron de l’administration), lehiben’ny Mpanatanteraka (patron de l’exécutif), izany hoe avy aminy avokoa ny baiko rehetra. 3000 miliara ny vola voalaza fa voahokinkodina nandritra ny fitondrana Andry Rajoelina, araka ny tatitra navoakan’ny rafi-pitsarana misahana ny fanaraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana na ny « Cour des Comptes ». Nahoana no tsy misy fanenjehana an’i Ntsay Christian mihitsy?
Tsy nahavita irery ireny halatra be vava ireny irery i Mamy Ravatomanga ary niaraha-nahalala fa ity PDG an’ny SODIAT ity no nanendry an’i Ntsay Christian ho praiminisitra nanomboka ny taona 2018 ary tsy azo nokitihana mihitsy nanomboka teo hatramin’ny ora farany nianjeran’ny fitondrana Andry Rajoelina.
Ntsay Christian araka izany no lehiben’ny halatra teto tamin’ny fanomezana baiko ny rafitra rehetra. Izy rahateo no nisahana ny andraikitry ny ministry Harena an-kibon’ny tany nandritra ireny famadihana ny volamena voageja ho lasa fatim-by, raha tsy hiresaka afatsy izay fotsiny ihany.
Ho an’ny mangarahara sy ny maha tany tan-dalàna ny firenena no hitakiana ny fanenjehana ity praiminisitra teo aloha ity. Tsy mbola nisy fanjakana nahavita halatra be vava mihoatra noho ny nataon’ny governanta Ntsay Christian teto hatramin’izay 60 taona lasa izay. Ntsay Christian no lehiben’ny halatra koa mendrika azy ny hatolotra eo anoloan’ny Fitsarana.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top