Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Taxi-brousse: Tantara sisa no eny amin’ny fasan’ny karana

La gazette de la grande île
16/09/202630 second read

Lasa eny Amoronakona tanteraka ny fiantsonan’ny Taxi-brousse mandeha amin’ny lalam-pirenena faha fito manontolo nanomboka ny alarobia 16 septembre 2026. Nanaiky ny fandaminana napetraky ny ministera ny fitanterana ihany ireo fianakaviambe ny mpitatitra mampiasa iny lalana iny ny farany. Mafimafy ihany ny fihetsiketsehana satria ‘nisy olona iray maty tamin’ny mpanao fihetsiketsehana, maromaro no naratra ary’ nisy am-polony koa ireo olona voasambotra. Ity no isan’ny grevy lehibe tamin’ny fitondrana Fanavaozana izao.
Tantara sisa ny eny amin’ny fasan’ny karana toa teny Anosy nifindra teny Anosibe. Tsy maintsy mizatra eny Amoronakona indray izany manomboka izao ny mpandeha mianatsimo rehetra. Hiverina amin’ny tompony amin’izay koa ny tany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top