Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fitondrana Rajoelina: Fikambanana mpanao bizna

La gazette de la grande île
30/09/2026•41 second read

Iny horonantsary mirakitra ny fitrandrahana volamena tany Maevatanana iny dia mbola manamafy ny voalaza teto fa tsy foto-kevitra fampandrosoana ny firenena no nampikambana ireo IRMAR sy TGV teto fa bizna. Ny depiote Ninah, lohan’ny mpisorona TGV Mahajanga no tratra tamin’izany.
Niova tanteraka mihitsy ny fomba fanaovana politika nanomboka ny taona 2009 niakaran’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana. Mpanao bizna avokoa no nameno ny sehatra politika. Trafika sy halatra no nanjaka hatramin’ny fifidianana dia mbola halatra sy hosoka daholo.
Novidiana tamin’ny alàlan’ny koveta, tee-shirt ary vola 10.000 Ar ny vaton’ny mpifidy noho ny fahantrana lalina. Tsy mahagaga ny fananan’ireo IRMAR sy TGV vola. Ohatra iray amin’izany ity fitrandrahana volamena an’i Ninah TGV Mahajanga ity. Ankoatra izany ireny 3000 miliara Ar mahery nambaran’ny « Cour des comptes » ireny. Tafiditra amin’io halatra sy fanodinkodinana volam-bahoaka io avokoa ny IRMAR, UPAR, TGV, FREEDOM, AFF.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top