Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Jeneraly Lylyson: Mampitandrina ireo mpanatanteraka Lalàna miray tsikombakomba amin’ny halatra tany

La gazette de la grande île
01/10/2026•57 second read

Ezaka goavana nataon’ity fitondrana Fanavaozana ity ny famerenana ireo tany nobodoin’ny mpanjanaka amin’ny fanjakana Malagasy. Isan’izany ireo tany ao Nosy-be, izay nanaovan’ny minisitry ny Fanajariana ny tany, ny jeneraly Lylyson fanamarihana manokana. Mampitandrina ireo mpanatanteraka Lalàna mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra tany ny minisitra ary nanambara fa tsy handefitra mihitsy amin’ity resaka halatra tany ity. « Aoka izay ny fidirana an-keriny amin’ireo tany naverina amin’ny fanjakana », hoy ny jeneraly Lylyson. Efa maheno sahady ny tenany fa misy fanapatapahana ylang-ylang izay reharehan’i Nosy-be.
Misy amin’ireo tany naverina amin’ny fanjakana no natokana hipetrahana, izany hoe, ho an’ny vahoaka. Misy kosa ireo izay hatolotra ireo ministera, tahaka ny ala mirefy 40Ha ao Androadroatra Nosy-be izay homena ny ministeran’ny Tontolo Iainana, ny tany mirefy 10Ha misy ilay « cascade » izay hatolotra ny ministeran’ny Fizahantany.
Misy koa ireo tany izay hatolotra ny sampan-draharaham-panjakana maro hafa, toa ny Zandarimaria sy ny Tafika noho ny fahasahiranana mitady tany rehefa hanangana foto-drafitrasa. Mikasika ny tanin’ny SIRAMA kosa indray dia miandry ny vidin’ny m2 mialohan’ny hirosoana amin’ny fandaminana.
Manamafy ny jeneraly Lylyson Urbain de René fa tsy handefitra hatramin’ny farany ireo mpangalatra tany ary ireo izay miray tsikombakomba mampanara-dalàna ankolaka ny fangalarana tany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top