Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Mamy Ravatomanga Rolly 6 taona; Lola 2 taona tany Antanimora

La gazette de la grande île
07/10/2026•2 minute read

Ezahan’ny sasany voizina mafy mihitsy hoe: « ampy izay heritaona namonjàna an’i Mamy Ravatomanga atsy amin’ny nosy Maorisy izay ». Miasa araka izany ireo kaonty mamoaka ny sariny sy ny vadiny ary ny zanany vavy mifamihina tahaka ireny olon-dresy (victime) ireny.
Tsy valifaty sanatria no hiresahana izao zavatra izao fa fampahatsiahivana ny zava-nisy teto. Rolly Mercia, 6 taona sy 5 volana no nijanona tany Antanimora; 2 taona mahery kosa ny an’i Lola Rasoamaharo. Niaraha-nahalala fa i Mamy Ravatomanga no atidoha nikotrika ny famonjàna an’i Rolly Mercia ary mbola ny tenany sy Naina Andriantsitohaina ary Brigitte Razaka kosa no nanomana ny paika nanagadràna an’i Lola Rasoamaharo. Tsy azo hampitoviana mihitsy ny niainan’i Lola sy Rolly tany Antanimora sy ny an’i Mamy Ravatomanga atsy Maorisy, raha tsy hiresaka afatsy ny fahafahany mamonjy « clinique » isaka ny misy tsy fahasalamana.


Herintaona izay no nitànana am-ponja an’i Mamy Ravatomanga noho ny famotsiam-bola an-jatony miliara. Aoka koa nefa tsy hohadinoina fa mbola misy ny raharaha Boeing 777 izay tsy ho avelan’i Amerikana sy ny Israeliana ho vita mora. Mbola tsy maina ihany koa ny ravina nihinanana tamin’ilay raharaha Carlos Ghosn nahatafiditra ny kaompania TOA an’i Mamy Ravatomanga (Naina Andriantsitohaina moa no PCA an’ity kaompania ity). Etsy an-danin’izany ireo raharaha any amin’ny PNF (Frantsa) ary indrindra ireo halatra sy fanodinkodinam-bola an’arivony miliara navoakan’ny « Cour des comptes » eto Madagasikara.
Heverina araka izany fa tsy tokony ho fihetseham-po no handinihana ny raharaha Mamy Ravatomanga. Firy ireo orinasa nizaka ny mangidy (fampidirana am-ponja ny tompona orinasa, fangejàna ara-ketra, famarotana ny orinasa, sns) noho ny herisetran’izany Mamy Ravatomanga izany.
Ireny voaporofo tamin’ny horonam-peo nivoaka FB ireny (depiote Lanto Rakotomanga) ny fomba amam-panaon’i Mamy Ravatomanga, raha tsy hiresaka afatsy ny raharaha Rolly Mercia. Nahatsapa ny ngidin’izany 6 taona an-tranomaizina izany ve ireto olona milaza fa mampalahelo ny manjo an’i Mamy Ravatomanga ireto?

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top