Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Grevin’ny sekoly katolika sy tsy miankina Tsy voafehin’ny minisitry ny fampianarana ny fitantanana ny ministerany

La gazette de la grande île
10/10/2026•53 second read

Nanao fitokonana fanindroany amin’ny fanovana ny rafim-pampianarana vaovao ny sekoly katolika sy ny sekoly tsy miakina maromaro manerana ny Nosy ny zoma faha 9 oktobra 2026. Tsy dia ny fanovana velively no olana amin’izany fa ny fomba nanatanterahana izany. Tena fanapotehana ny fampianarana mihitsy ny zava-misy hoy hatrany ny fanambarana ataon’ireo sekoly tsy miakina amin’ny fanjakana ireo.
Efa betsaka ny filazana natao an-gazety mahakasika ity raharaha ity nanomboana ny volana aogositra 2026 teo, izay nivoahan’ny fanampahan-kevitry ny ministera ity. Mitranga mihemotra ny minisitrin’ny fampianarana eo anatrehan’izany. Toa ny lelonjaza hoy fitenenana. Fihetsika sy fomba izay tsy tokony hatao na ministra sy fitondrana velively.
Ny fitondrana dia tokony ho matotra amin’ny fanampahan-kevitra raisina. Tsy izany no mitranga ankehitriny ka mahatonga izao fitokonana izao indray.
Ny grevin’ny mpianatra toa izao no fototry ny faharavan’ny fitondrana teto Madagasikara hatramin’izay.Philibert Tsiranana, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Andry Nirina Rajoelina izay filohampirenena daholo dia ny zavatra toa izao no naharava ny fitondrany. Misy manipy hoditr’akondro ny filoha Michael Randrianirina ka mila mailo amin’ity grevin’ny sekoly katolika sy ny sekoly tsy miakina ity izy.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top