Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fitondrana Fanavaozana Simban’ny olona manodidina azy ny fitiavan-tanindrazan’ny Colonel Michael Randrianirina

La gazette de la grande île
08/11/2026•43 second read

Miady an-trano indray amin’izao fotoana izao ny Ministry ny Kolontsaina Gasikara Fenosoa sy ny tale jeneraly ny ORTM Lemana Elysé. Tsy nifanaja intsony ny roa tonta ka tonga aty ivelan’ny trano ny raharaha fa nivoaka imasom-bahoaka sy niteraka resabe eto amin’ny firenena. Ankilan’izany dia iaraha-mahita ny olana momba ny fampianarana izay misy fiantraikany lehibe amin’ny tontolon’ny fanabeazana manerana ny Nosy noho ny ataon’ny Minisitra sy ny mpiaramiasa aminy. Mbola olana ihany koa ny fioharam-pefy ataon’ny mpanolotsaina politika sivily sasany eny Iavoloha izay miteniteny foana ka manimba ny zavatra tsara vitan’ny Colonel Michael. Maro ny hoditr’akondro hita sy tsapa ataon’ireo olona tsy mahalala ny andraikitra tokony ho tazoniny ao amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Mandoto ny fitondrana izy ireo ka manaratsy ny endriky ny fitondrana. Manginy fotsiny ny zava-misy ao amin’ny depiote ao Tsimbazaza ao.
Enga anie ka ho vita haingana ny fihaonambempirenena mba hisian’ny Fanavaozana tena matotra.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top