Misy tetika maizina misoko mangiana eto amin’ny firenena. Atodika sy avily any amin’i Mamy Ravatomanga avokoa ny saina sy ny mason’ny mpanara-baovao mba tsy hiresahana ny momba an’i Andry Rajoelina sy ny fianakaviany ary ireo mpiray petsapetsa aminy. Aza adinoina fa samy nanana ny tambazotrany avy i Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga ary samy nandroba ny harena sy ny volam-panjakana avokoa. Ireo mpanao afera sy mpandroba niara-dia tamin’i Andry Rajoelina no manimpy ny fahotana rehetra amin’i Mamy Ravatomanga ankehitriny satria te hangatsiatsiaka manoloana ny fitakiam-bahoaka. Mandeha ila ny fanenjehana ireo olon-dratsy, tahaka ny hoe omena fotoana hanadiovany ny afera malotony ireo mpiara-dia tamin’i Andry Rajoelina ka mody ny raharaha Mamy Ravatomanga hatrany no hasesika ao an-dohan’ny vahoaka. Samy nandroba teto daholo na Mamy Ravatomanga na Andry Rajoelina. Mitanila manoloana ny fampiharana ny fanenjehana nefa ny fitondrana. Raha ny marina aza dia Andry Rajoelina no ATIDOHAN’NY FANDROBANA teto hatramin’izay satria izy no filoham-pirenena. Mbola izy koa no tomponandraikitra voalohany tamin’iny fandrobana ny faha-25 Septambra iny satria tsy nanome baiko ny mpitandro filaminana hisambotra ireo mpamaky sy mpandoro orinasa.
Andry Rajoelina ATIDOHAN’NY FANDROBANA
La gazette de la grande île
25/10/2025•53 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626881
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





