Mazava ny tenin’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo tamin’ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa ny dépote teny Tsimbazaza ny talata 21 Oktobra 2025 fa vonona ny hampisambotra an’i Mamy Ravatomanga izy na eto Madagasikara izy na any ivelany. Toa izany koa ireo izay olona rehetra nangalatra sy nanao kolikoly nanodikodina volam-panjakana sy fananampirenena.
Dia miandry izany ny vahoaka satria efa te-hahita fitsarana misambotra an’ity mpandraharaha ity izay malaza fa isan’ny nanao fanararaotam-pahefana sy nanao kolikoly be indrindra teto amin’ny firenena ary nampigadra olona am-polony maro tany am-ponja tamin’ny tsy rariny.
Raha toa ka tanteraka izany dia tena hitondra fanovana marina eto amin’ity firenena ity ny fitondrana tetezamita ity.
Marihina fa maro dia maro ny fanakianana fa olon’i Ravatomanga Mamy sy Andry Rajoelina ity Praiminisitra notendren’ny filoham-panjakana Mickael Randrianirina ity. Isan’ny nihazo teny Tsimbazaza ny GenZ nasionaly tsy faly tamin’ny fanendrena ity Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo ity satria dia lazain’izy ireo fa isan’ny olona naka ny vola tao amin’ny Cnaps niaraka tamin’i Ravatomanga sy Naina Andriatsitohaina izy.
Milaza fa hisambotra an’i Ravatomanga na eto Madagasikara izy na any ivelany
La gazette de la grande île
25/10/2025•48 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626881
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





