Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Madagasikara : my zava misy Indrisy. Ireo hery tsy mety miova (les “invariants du pouvoir”) no fahavalon’ny fanovana !

La gazette de la grande île
29/10/20252 minute read
Fianakaviana vitsivitsy, ireo olona sady vazaha no gasy , na ara-batana na ara-tsaina , fikambanan’ny saranga ambony, tambajotra ara-toekarena sy politika, no mandrafitra ny zava misy   eto Madagasikara . Indrisy, mbola hita izany androany eo anivon’ny andrim-panjakana tetezamita.
Raha ny zava-miseho ankehitriny, dia mampiseho fa ny fandrosoana dia babo tanteraka amin’ireo hery tsy mety miova ireo. Izy ireo no nahazo tombontsoa foana nanomboka tamin’ny fahazoana ny fahaleovantena ka hatramin’izao.
Ohatra, amin’izao vanim-potoanan’ny tetezamita izao, dia miezaka ny mpanao politika, ny mpanao gazety, ny mpanolo-tsaina, sns., izay  fitaovan’ireo “invariants du pouvoir “ ireo, manome lanja sy manamafy ny fahefana misy. Rehefa nahazo ny tombontsoany izy ireo, dia manaparitaka tantara mankasitraka ny fomba fitantanany tsy miova mihitsy. Manamaivana ny tsy rariny, ary manilika ireo safidy tsara kokoa. 
Ataony ho zava-dehibe tsy azo ihodivirana ny fanapahan-kevitry ny olona tsy niarahana nandinika du tsy mangarahara. Ho loza mitatao ny fitsikerana azy ireo.
Eto Madagasikara, tsy ny tsy fahaizana no manakana ny fandrosoana, fa ny tambajotra miafina. Ireo izay nahazo tombontsoa foana no mitazona mafy ny fahefana. Ny vahoaka kosa tezaintsika amin’ny teny mamy sy fampanantenana fotsiny.
Ireo “invariants du pouvoir” ireo dia manana tambajotra ara-toekarena sy politika mangina, mifamatotra tsara, izay manidy ny làlan’ny fanovana sy manamafy ny tsy rariny.
Tsy hoe tsy misy fahaiza-manao na hevitra vaovao eto Madagasikara. Fa tsy ampy “rivotra mahery” hanosika ny fanavaozana ho amin’ny tombontsoan’ny daholobe.
Isaky ny misy hetsi-bahoaka mitaky fanovana, dia mipoitra hatrany ilay rindrina tsy hita maso : tambajotra tsy mety miova, mitondra anarana vaovao, nefa mitana hatrany ny toerany sy ny fomba fanaony.
Mifampiharo sy mifampitohy izy rehetra, ka lasa ny firaiketam-po sy ny fiarahana no zava-dehibe kokoa noho ny fahaiza-manao sy ny fahombiazana ho an’ny tombontsoan’ny daholobe.
Ny fanavaozana, raha miseho aza, dia sivanina, averina amin’ny lalana hafa mba tsy hanohintohina ny tombontsoan’izy ireo — na potehina tanteraka mihitsy aza.
Raha mbola eo am-pelatanan’ny vitsy ny fahefana, dia hijanona ho voageja ao anatin’ny lasa i Madagasikara.
Kely loatra ve ilay rivotry ny fanovana teo ka tsy nahatosika ilay rindrina ratsy efa tsara orina ?
Na isika rehetra mitsoka mafy handrodana io rindrina io, 
na ho nofinofy fotsiny izany fanovana ifotony (refondation) izany.
Voahitsakitsaka ny Tany Masina, indrisy !
Zaza Ramandimbiarison
Partager cette article
Articles connexes
Back To Top