Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo Voafitaka sahady ny colonel Michael Randrianirina

La gazette de la grande île
29/10/20252 minute read

Telo andro tao aoriana ny fametrahana azy ho filoham-panjakana ny colonel Randrianirina Michael izay nataon’ny HCC na ny Fahefana avo momba ny lalàmpanorenana dia nanendry ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo izy.
Voafitaka sahady ny filoham-panjakana ity satria dia olon’ny filohampirenena teo aloha Andry Nirina Rajoelina sy Mamy Ravatomanga ity olona nataony filohan’ny governemanta . Tsy ny colonel Michael Randrianirina ihany no voafitaka fa ny vahoaka malagasy izay nangataka Fiovana. Ny Praiminisitra ity dia isan’ny olona niaraka tamin’ny minisitra Naina Andriatsitohaina sy Mamy Ravatomanga sy ny forongony naka ny vola tao amin’ny Cnaps amin’ny fanamparam-pahefana ka nahabakiropotra ity orinasam-panjakana ity ka nampijaly ireo beantitra.
Ity Praiminisitra Voatendry ity koa no voalaza fa isan’ny mpiray tendro amin’ny Mamy Ravatomanga sy Andry Rajoelina amin’ny fiaramanidina »Jet » izay an’ity fiaramanidina ity izay ipetrahana fanontaniana maro ankehitriny. Mbola voalaza koa fa isan’ny mpiara-miasa amin’i Ravatomanga Mamy ao amin’ny « Mada rail » koa ity Praiminisitra ity.
Santionany amin’ny zavatra niarahan’i Rajoelina Andry Nirina sy Mamy Ravatomanga ary ny Praiminisitra ny fanavaozana Herintsalama Rajaonarivelo ireo fa mbola holazaina eto ihany ny mahapinamana azy ireo amin’ny fandraharahana eto Madagasikara. Raha ny fitakiana teny amin’ ny GenZ sy ny colonel Michael Randrianirina izay nitarika ny Capsat dia ny fanesorana an’i Andry Nirina Rajoelina sy ny forongony no tanjona ary hatolotra ny fitsarana izy ireo ho tsaraina nefa dia ny forongon’i Andry indray no notendrena ho Praiminisitra.
Marobe ny vahoaka tsy faly sy tsy manaiky izao ka manakiana sy mandiso tanteraka ny colonel Michael Randrianirina ankehitriny.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top