Tsy am-pelatanana ny antontan-taratasy mandiso na manamarina ny resaka miparitaka manerana ny tambazotra momba ny ministry ny Fitaterana. Mila fanazavana matotra ary haingana avy amin’ny tenany manokana sy ny praiminisitra kosa nefa izany satria tena tsy azo ekena mihitsy raha mbola misy forongon’i Mamy Ravatomanga ao anatin’io governemanta io, indrindra resaka famotsiam-bola.
Sehatra iray manana raharaha goavana ny ministeran’ny Fitaterana toa ny raharaha Boeing 777, ny mikasika ny fiaramanidina nitondra an’i Ntsay Christian sy Mamy Ravatomanga tany Maorisy. Koa raha mitombona io resaka mandeha eny anivon’ny tambazotra momba ity minisitra ity dia mazava ho azy fa hiasa hanadio ny afera maizin-dRavatoamanga no antom-pisiany ao.
Tsy manana indra-fo amin’izany Mamy Ravatomanga izany mihitsy ny vahoaka leo kolikoly. Miandry fanazava maika sy mitombona ny mpanara-baovao ary ny fepetra mifanaraka amin’izany rahatoa ka mitombona ny fiampiangana azy.
Ministry ny Fitaterana MILA FANAZAVANA
La gazette de la grande île
30/10/2025•39 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626881
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





