Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fanavaozana : Lasa ady seza no mahazo vahana ankehitriny

La gazette de la grande île
10/11/202544 second read

Raha mandeha any amin’ny ministera rehetra dia mahita olona maro mitady seza. Ahitana fikambanana isan-karazany izany ary misy koa ireo mandeha irery. Miady ny ho mpikambana ao amin’ny kabinetran’ny minisitra avokoa izy rehetra ireo. Tsy afaka miasa mihitsy ny minisitra fa lany andro amin’ny fandraisana ireo olona ireo.
Ny ankamaroan’ireo olona ireo dia ireo jiolahy politika dahalo. Mpitady seza, mpamadika palitao sy tsy miraharaha raha tsy ny tombotsoany manokana.
Raha ny fahitana ny zava-misy dia ho sarotra ny fanatanterahana ny fanovana izany raha izao no mitohy satria toa mitady hiverin-dalana ny raharaha ka ny fomba teo aloha ihany no mitady hiverina.
Mila mitandrina ny fitondrana tetezamita ny fanavaozana izao fa toa hivaona amin’ny tanjona tiana hahatongavana ny zava-misy ankehitriny.
Tokony hapetraka tsara ny tanjona ho tratrarina amin’izao tetezamita izao ary tokony ho hazavaina amin’ny vahoaka izany mba hialana amin’ny honohono izay tsy itovizana fijery ka manimba zavatra

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top