Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fitondrana TGV : MPAMONO OLONA

La gazette de la grande île
12/11/20252 minute read

Miantsoantso vonjy avokoa ireo mpitondra TGV niharan’ny fisamborana sy fisavàna trano fa tokony hifampiresaka sy hifampidinika. Ny sasany moa dia milaza fa valifaty no manjo azy ka tsy azo ekena.
Fa olona firy no maty novonoin’ireto mpitondra TGV teto ireto?
Ninie Donia, Carlos, Papasolo, Richard Ramanambintana, John Elite (manana porofo i Fleury Rakotomalala), sns. Ao koa ireo mitondra takaitra mandrakizay (Mahery Lanto Manandafy) sy ny maro any ambadika any.
Olona niady ho amin’ny fahalalahana sy nitoroka ireo halatra nataon’ny TGV avokoa ny maro tamin’ireo maty ireo. Ny fitondrana TGV no tena nanao izany valifaty politika izany ary novonoina mihitsy izay nifandiso tamin’izy ireo.
Fitondrana mpamono olona ny TGV. Jereo fotsiny ireo olona maty notifirina teny Andranoro, trano fonenan’ny ray aman-drenin’i Andry Rajoelina.
Ny « redressement fiscal » sy ny famoronana « dossier » satria teo am-pelatanan’izy ireo ny Bianco sy ny PAC.
Ny solombavambahoaka Naivo Raholdina aza sahy nilaza fa hain’izy ireo izany fanonganam-panjakana izany ary mbola hain’izy ireo koa ny mampiasa vola.
Raha fehezina ny resaka dia namono olona, nandroba, nampihorohoro, namotika fiainan’olona maro ny TGV. Tsy midika valifaty velively ny fampiharana ny Lalàna. Efa fantatra fa tsy maintsy ho izay no hany fiarovan-tenan’izy ireo amin’ny fotoana iray. Mba tsy anareo intsony kosa indray ny tanàna e! Mba tsy ianareo intsony kosa indray no mafy be e!

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top