Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Raharaham-pirenena : Aiza ho aiza ilay fanovan-drafitra?

La gazette de la grande île
12/11/202538 second read

Samy valalanina amin’ny raharaham-pirenena ankehitriny ny mpanaraka ny vaovao eroa amin’ny firenena. Tsy henoheno intsony ny mahakasika ny tetika hanovana ny rafitra izay notakian’ny GenZ. Toa lasa ady toerana no hita manerana ny ministera manontolo. Toa izany koa ny fiadiana ho lasa governora any amin’ny faritra. Grevy fitakiana fialana tomponandraikitra no saika hita etsy eroa. Tena ny zavatra nisy teo aloha ihany no hita sy tsapa ankehitriny ankoatran’ny ao amin’ny fitsarana izay hita fa miasa mafy amin’ny ady amin’ny kolikoly avo lenta.
Hatramin’izao aloha dia mbola tsy fantatra izany fihaonambem-pirenena izany. Ary tsy heno mihitsy ny mahakasika fihaonana any amin’ny faritra sy ny distrika.

Raha izao fahitana ny fizotran’ny raharaha eto amin’ny firenena izao dia mbola manjavozavo ny tena fanovana tiana hotratrarina fa fiadiana fahefana no mibahana.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top