Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Raharaha CNAPS NAINA SARIMBAVY!

La gazette de la grande île
13/11/202534 second read

Lasa naka rivotra hono i Naina Andriantsitohaina hoy ny Me Nicole. Navelany irery tao an-tranony ny vadiny mampinono. Iza izany no miaraka maka rivotra amin’i Naina any?
Tsy fitondran-tenan-dehilahy izany fa fomban-tsarimbavy. Fantatr’i Naina Andriantsitohaina fa tsy maintsy ho avy hisava ny tranony ny manam-pahefana noho ny raharaha CNAPS.
Aiza ilay hoe vonona hanazava sy hitondra ny porofo fa tsy nangalatra?
Hay misitri-belona ary mahavita manary vady aman-janaka tahaka izao ireny sarimbavy ireny rehefa tsy manana fahefana. Ary tena fomban’ireto mpambotry firenena nampijaly vahoaka ireto mihitsy ity mandao vady sy ankohonana ity rehefa amin’ny andro sarotra. Haingo Rakotoniary, vadin’i Mamy Ravatomanga aza moa nahavita niteny fa tsy misy hidirany ary tsy hainy izay ataom-badiny.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top