Ankoatra ny fanapotehana nohon’ny antony ara-politika dia voaporofo izao fa tena misy fanavakavahana ara-bolon-koditra sy ara-tsaranga eto amintsika ary mivandravandra loatra izany. Aleo hovakiana bantsilana ity resaka ity satria tsy rariny intsony.
Harilala Ramanantsoa, Claudia Andriantsitohaina, Rinah Rakotomanga dia samy vehivavy miaina ao anatin’ny « luxe », fotsy fihodirana, zanak’Afovoantany notsiririntin’ny lehilahy mpanam-bola.
Ninie Donia kosa dia « côtière » sady mainty, niady ho an’ny malemy ary nitankisina tamin’ny maloto lamba sy ny malahelo ka tsy nampihetsi-bolo ireo milaza fa fiarahamonim-pirenena Mahitsy Fijery.
Lesona ho an’ny mainty fihodirana nolalaovin’i Andry Rajoelina sy ny forongony izao zava-misy izao.
Tsy mendrika hatao fanadihadiana, tsy mendrika halaina am-bavany, tsy mendrika hatolotra ny Fitsarana sy hotànana am-ponja satria fotsy fihodirana, andriambavilanitra, « classe », tsara tarehy, sns.
Saronana amin’ny teny hoe « valifaty » raha vao ireo saranga ireo no voatohintohina. Aoka izay ity fanavakavahana ara-bolon-koditra sy saranga ity.
Ninie Donia : « CÔTIÈRE » MAINTY!
La gazette de la grande île
14/11/2025•42 second read

Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626794
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





