Mandeha dia mandeha ny resaka ankehitriny fa miady hitovy fahefana amin’ny colonel Michael Randrianirina filohan’ny fitondrana tetezamita ireo colonel efa-dahy izay mpiara-mitolona taminy tamin’ny hetsika ny GenZ.
Marobe ny resaka tsy ifankahazoana amin’ny mpitondra ny fitondrana tetezamita hoamin’ny fanavaozana izao. Hatramin’ny fanendrena ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo iny aza dia voalaza fa ipetrahan’ny disadisa izao satria tsy niarahana. Ny loharanom-baovao hatrany no milaza fa isan’ny olana ihany koa ny ataon’ny politika toa ny MMM sy ny TIM ary ny fikambanan’ny karana izay miditra an-tsehatra lalina be dia be amin’ny raharaham-pirenena ankehitriny.
Eo anatrehan’izany dia toa hisy ny fijerena manokana hataon’ny HCC ity raharaha ity amin’ny herinandro hoavy izao. Andrasana ny mety fisehoan’izany.
Fitondrana tetezamita amin’ny fanovana : Miady hitovy fahefana ny colonel dimy mirahalahy mpitarika ao amin’ny Capsat
La gazette de la grande île
15/11/2025•33 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5677868
Your IP Address: 216.73.217.65
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





