Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Hajo Andrianainarivelo mpamadika palitao

La gazette de la grande île
15/11/202551 second read

Nampiaiky ny maro ny fahaizan’i Norbert Lala Ratsirahonana namadibadika palitao nandritra ny fitondràna izay nifanesy teto Madagasikara teo anelanelan’ny taona 2002 no mankaty. Fa ny tena mampiteny ny Moana amin’izao fotoana izao dia ny andraikitr’i Hajo Andrianainarivelo ao amin’ny lapan’Iavoloha .

Miharihary toy ny tafika andrefatanàna ny fisian’ity filohan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga ity ao an-dàpa izay heverin’ireo izay sendra mandalo eny fa tena tànan-kavanan’ny Filoha Michael Randrianirina mihitsy satria dia manana birao fandraisana olona ao Iavoloha ny lehilahy.

Rehefa niditra lalindalina nanontany ireo olona sendra anay izahay dia misy ireo milàza fa to teny ary iankinan’ny fanapahankevitra raisin’ny mpitondra ankehitriny i Hajo Andrianainarivelo. Tao mihitsy moa ireo nilàza fa mandàlo fankan-kevitra aminy ireny karazana fisamborana sy perquisition atao amin’ny mpitondra teo aloha ireny.

Midika ve izany fa Ratsirahonana version 2025 i Hajo Andrianainarivelo?

Mipetraka ny fanontaniana amin’ny hoe tsy hametraka an’i Hajo eo amin’ny fitondràna ve izany no tanjon’i Colonel ka manao kapa ranjo sahady an’ireo izay heverina fa adversaire matanjaka?

Samy miandry ny tohiny isika.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top