Hoy Naina Andriatsitohaina raha toa nampigadra ny tale jeneraly ny orinasa mpanao gazety izy tamin’ny 2023 « , ho hitanao ny hahazo anao atsy hoa tsy, tsy maintsy migadra ianao na tianao na tsy tianao ». Afaka volana vitsivitsy dia nogadraina tamin’ny tsy nisy antony ilay tompon’ny gazety « . Nopotehina ny fitaovana fanaovana gazetiny rehetra hatrany amin’ny » imprimerie « ka hatrany amin’ny » desk « ary namoronana » dossiers « ilay tale jeneraly ny orinasa ity. Nigadra tao Antanimora tao anatin’ny roa taona sy tapany mahery .
Tsy vitan’izany fa mbola niteny koa i Naina Andriatsitohaina sy Mamy Ravatomanga fa » tsy avelanay iny raha tsy rava tanteraka ny momba azy ka kapakapa sy vola 500Ar sisa no entiny mody miala avy ao am-pigadrana mba handehanany taxi-be mody » . Tena naely sy nampitaina ho fantatrin’ny fianakaviany sy ny naman’ity Tale Jeneralin’ny orinasa mpanao gazety ity izany. Dia tratran’ny didy fampisamborana i Naina Andriatsitohaina ankehitriny satria nandositra..
Fa hoy koa i Rinah Rakotomanga tamin’ny Andry Rajoelina tonga teo amin’ny fitonfrana: « anjaranay indray izao no mitondra ka izay tianay hatao no atao, satria anay ny firenena « . Dia nanao izay tiany hataony i Rinah Rakotomanga. Nanampatra fahefana tamin’ny lafiny rehetra. Nanao kolikoly avo lenta sy ny fanagadrana olona izay nandrebireby azy. Bevava izay tsy izy amin’ireo olona izay mitsikera azy.
Nanao tsy ho tratrin’ny aloka i Naina Andriatsitohaina sy Rinah Rakotomanga ity ka izao nigadra izao indray.
Tsy izy roa ireo ihany no nanao kolikoly avo lenta sy fanararaotam-pahefana teto fa andrasana koa ny hafa. Mbola be dia be izy ireo no tokony hanaovana fanadihadiana amin’ny Bianco sy Samifin ary ny Pac. Miandry ny manaraka ny vahoaka malagasy. Aoka tsy hisy eto Madagasikara intsony ny tsimatimanota manomboka izao.
Naina Andriatsitohaina sy Rinah Rakotomanga Nanao tsy ho tratrin’ny aloka ka any am-ponja no niafarany
La gazette de la grande île
18/11/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5710771
Your IP Address: 216.73.216.26
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





