Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Raharaham-pirenena Samy nandrirotra ny teny hoe fanovana rafitra amin’ny fahatakarany azy ny malagasy.

La gazette de la grande île
18/11/202539 second read

Nandritra ny tafa sy dinika nifanaovany tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny RNM sy ny Real TV tamin’ny alahady faha 15 Novambra 2025 tamin’ny 7 ora hariva tamin’ny filohan’ny fanjakana Fanavaozana Mickael Randrianirina sy ireo olona nasainy teny Iavoloha nanatrika ity valan-dresaka ity no nahafantarana fa samy mandrirotra amin’ny fahatakarany ny antsoina hoe « Fanovana Rafitra » ny malagasy.
Tsy mazava amin’ny ankamaroan’ny olona ny antsoana hoe « Rafitra ». Ny zava-misy notenenin’ny olona nanatrika iny valandresaka iny no nanaporofo izany satria toa mivaona amin’ny Rafitra hitondrana ny firenena hoamin’ny fanavaozana no hita. Mila manao fanazavana bebe kokoa ny antsoina hoe  » Rafitra « ny fitondrana hoamin’ny fanavaozana raha tiany hahomby iny tolona nataon’ny GenZ iny sy ny malagasy ary ny Capsat. Tena azo antoka fa ady hevitra mitovy amin’ireny no hitranga amin’ny fihaonam-be nasionaly izay kasaina hatao atsy ho atsy.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top