Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Groupe Filatex: Famitinana

La gazette de la grande île
19/11/20252 minute read

1. Tamin’ny alalan’ny tolo-bidy iraisam-pirenena no nahazoan’i Groupe filatex ny “contrat” voalaza. Nomen’ny Banky Iraisam-pirenena fankatoavana feno izany fiantsoana tolo-bidy nataon’ny Fanjakana Malagasy izany ho antoky ny mangarahara sy ny fifaninanana mifanaraka amin’ny lalàna.
2. Anisan’ny orinasa mivarotra herinaratra mora indrindra eto amin’ny tsena anatiny izahay — ary aty Afrika mihitsy aza, namafisin’ny BAD rahateo izany.
Tsy mitsahatra mitombo anefa ny trosan’ny JIRAMA aminay ary mbola tsy nisy voaloa ny  » subvention » izay tokony azon’ny orinasa.
3. Isaky ny miova ny fitondrana dia misy foana ny ady varotra mangataka hanenana ny vidin’ny herinaratra vokarinay. Misokatra amin’ny fifampiresahana hatrany izahay fa tsy tokony entina manimba ny tetikasa izay tena ilain’ny firenena izany izany.
4. Efa mandeha be ny hybridation solaire ankehitriny : ny 1 MW solaire vokarina dia mitondra fihenan’ny fandaniana solika hatramin’ny 1 miliara Ariary isan-taona.
Tombontsoa mivantana ho an’ny Fanjakana malagasy sy ho an’ny vahoaka izany.
5. Tsara ovaina ihany ny lalantsaina entina mandinika na mandrafitra ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny famokarana herinaratra, mba ahafahana mametraka tetikasa maharitra sy tena mitondra fampandrosoana ho an’ny rehetra. Mila fifampitokisana ary fikatsahana ny mangarahara hatrany.

6. Mpanjifa tokana hoan’ny mpamokatra herinaratra eto Madagasikara ny JIRAMA, tsy afaka hanana tombotsoa hampanahirana na hampitotongana ny JIRAMA velively izahay.
Ny fahafahan’ny JIRAMA mandoa vola ara-potoana dia antoka ahafahanay manohy ny fampiasam-bola amin’ny famokarana herinaratra, ho tombontsoan’ny firenena iray manontolo.

7. Tena misy fanodikodinana ny saim-bahoaka amin’ny tsaho tsy mari-pototra izay mitarika fankahalana, fifampisarahan-bazana, sy manova tanteraka ny marina, miteraka ahiahy tsy mitondra voka-tsoa.

Maninona moa no tsy ny fampidinana ny fandaniana amin’ny famokarana herinaratra no heverina fa tsy izany fampiakarana ny vidiny aloan’ny mpanjifa izany ?

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top