Araka ny fanampahan-kevitra noraisina ny filankevitry ny minisitra efa ho iray volana izay dia naato tamin’ny toerany avokoa ny governora ny faritra 23 manerana an’i Madagasikara.
Tsy mbola voatendry ny olona hisolo azy ireo hatramin’ izao ka tsy mandeha ny fitantanana ny faritra. Fantatra fa mahatratra hatrany amin’ny 20 mahery ny olona mandefa fangatahana ho amin’izany toerana izany raha kely indrindra isakin ny faritra iray. Izao forokontan’olona isan-karazany izao dia miady ny ho governora any amin’ny faritra avokoa. Na olona teo amin’ny fitondrana teo aloha na mpanohitra ka hatramin’ny olona tsy hita fototra rehetra izao dia milaza fa samy hitondra fanovana amin’izao fanavaozana takin’ny GenZ izao avokoa.
Raha izao toe-tsaina misy amin’izao fotoana izao dia mbola ho sarotra ny fampandrosoana eto Madagasikara. Tsy misy mieritreritra firenena fa hangalatra sy hanankarena amin’ny volam-panjakana avokoa no ao an-tsaina.
Tia seza, tia vola loatra ny malagasy ankehitriny ka very ny fitiavan-tanidrazana.
Governemanta ny faritra Milaza azy ho mpitolona avokoa izao forokontan’olona rehetra izao
La gazette de la grande île
25/11/2025•43 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5677868
Your IP Address: 216.73.217.65
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





