Soa ihany fa nisy ny fitondrana tetezamita ary fanavaozana eto Madagasikara ka nahazoana nisambotra olona ambony sy mpanankarena. Isan’izany i Mamy Ravatomanga, Rinah Rakotomanga , ny tale jeneralin’ny CNAPS teo aloha. Karohina sy nahazo didy fampisamborana ny minisitra teo aloha Naina Andriatsitohaina.
Mahakasika an’i Mamy Ravatomanga manokana dia migadra any Maurice izy nanomboka androany alatsinainy 1 desambra 2025 rehefa avy nalaina am-bavany tao anatin’ny tapa-bolana mahery.
Mankasitraka ny ezaka ataon’ny fanavaozana ny ankamaroan’ny malagasy noho izany ary miandry ny fisamborana ireo olona maro izay nandroba sy nangalatra ary nanao fanamparam-pahefana sy kolikoly teto amin’ny firenena ity.
Araka ny voalazan’ny minisitra ny fitsarana Fanirisoa Erinaivo dia hisy koa ny didy iraisam-pirenena hisambotra an’i Andry Rajoelina.
Tsy ireo irery anefa no tokony ho samborina fa marobe izy ireo no nanapotika ity firenena ity nandritra ny fitondrana teo aloha izay. Isan’izany Ravalomanana Marc izay lasa tsimatimanota ankehitriny ary mirehareha fa olona madio. Be dia be koa izy ireo no fantatra fa nanapotika teto amin’ny firenena ity ka nahatonga izao fahantrana izao.
Be dia be ireo minisitra nangalatra, sy nanodikodina vola sy fananam-panjakana sy kolikoly nandritra ny fitondrana nifanesy izay. Toa izany koa ny depiote sy senatera ary tale sy tale jeneraly tany amin’ny ministera maro.
Hatramin’ny ao amin’ny fitsarana sy mpitandro filaminana dia nanjakan’ny kolikoly avokoa.
Hatraiza ny finiavana sy ny fanantanterahana izao fanadiovana tarihin’ny fitondrana fanavaozana izao ?
Mamy Ravatomanga Nogadrain’ny fitsarana Maorisiana ny mpanao kolikoly sy mpamotsy vola maloto Malagasy
La gazette de la grande île
02/12/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5677868
Your IP Address: 216.73.217.65
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





