Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Notsongaina tao amin’ny pejin’I Siteny RANDRIANASOLONIAIKO FANAMBARAN’NY ANTENIMIERAMPIRENENA

La gazette de la grande île
09/12/20252 minute read

Manoloana ny taratasy nalefan’ny Minisitry ny Angovo sy ny Hydrocarbures, mikasika ny fangatahana hanokafana enquête parlementaire ao amin’ny JIRAMA, dia manamafy ny Antenimierampirenena fa mizara tanteraka ilay ahiahy sy ahitan-teny napetraky ny Ministera momba ny toe-draharaha iain’ny orinasa JIRAMA, izay efa misy fiantraikany lalina amin’ny fiainan’ny vahoaka manerana ny Nosy.

Efa an-taonany maro no nandatsahan’ny Fanjakana — hany actionnaire — vola sy loharanom-bola goavana ho fampandehanana ny JIRAMA, nefa mbola tsy hita taratra ny vokatra andrasana. Izany no antony tsy maintsy hitadiavana mangarahara sy fahamarinana, sady hamaritana mazava izay andraikitra sy andraikitra tompon’andraikitra tsirairay.

Noho izany, ny Antenimierampirenena dia hanatanteraka enquête parlementaire, miaraka amin’ny fanampian’ny Fitsarana Tampony momba ny Kaonty (Cour des comptes), araka ny fepetra mazava takian’ny Andininy faha-93 ao amin’ny Lalàmpanorenana, izay manome fahefana ny Parlemanta hanatanteraka fanaraha-maso ny asan’ny governemanta sy ny fitantanana ny vola-bahoaka.

Efa amin’izao dia miandry ny fandefasana ireo antontan-taratasy ilaina izahay, indrindra indrindra ireo fifanarahana (contrats) ifanaovan’ny JIRAMA sy ireo mpamatsy angovo samihafa. Ireo antontan-kevitra ireo dia azo angonina avy hatrany amin’ny alalan’ny Filankevin’ny Tale (Conseil d’administration) ao amin’ny JIRAMA, izay tokony hanome toromarika amin’ny Tale Jeneraly mba hanolotra izany tsy misy hatak’andro.

Ny tanjona dia mazava: ny hamerenana ny mangarahara, ny hahafahan’ny vahoaka mahafantatra ny zava-misy marina, ary ny hanombohana ny fanarenana maharitra ny sehatry ny angovo eto Madagasikara.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top