Raha tena maniry ny hiroso amin’ny tsara isika, dia mila fo mivavaka, fa indrindra mila saina mazava.
Tato ho ato dia hita fa mpiandry mafana fo ny mpitondra eto Madagasikara. Tsy ratsy ny finoana. Tsara izy io: mampisy fiadanam-po, mampianatra fahendrena sy fahamarinana, ary afaka manamafy ny firaisan-kina eo amin’ny fiarahamonina.
Saingy tsy azo afangaro amin’ny fanorenam-pirenena ny vavaka fotsiny.
Amin’ny zava-misy ankehitriny, ny fivavahana eto Madagasikara dia toy ny voninkazo misy tsilo: manome hery sy fanantenana, nefa indraindray koa manakantsakana ny fisainana mitsikera sy ny fandraisana andraikitra.
“Ny finoana tsy ampiarahina amin’ny asa, ravin-kazo entin’ny rivotra.”
Azo atao ary tokony hatao ny mivavaka.
Fa ny fanorenam-pirenena kosa dia mitaky asa mivaingana, siansa, fahalalana, fandaminana, ary tanana maro miara-miasa.
Tsy hahasandratra an’i Madagasikara ny vavaka tsy ampiheverana.
Tsy hahavaha ny fahantrana ny fivoriana ara-pivavahana raha tsy miaraka amin’ny politika mazava, fitantanana tompon’andraikitra, ary fanabeazana manokatra saina.
Ny olana dia tsy ny finoana, fa ny fanaovana azy ho “opium”, hanakonana ny tsy fahombiazana, hampanginana ny fanontaniana, ary hanalavirana ny andraikitra.
Ny hery tsy mahaleo ny isa,
ny isa tsy mahaleo ny fahendrena.
Ilaina ny fahendrena ara-panahy, fa tsy maintsy ampiraisina amin’ny fahalalana sy asa azo tsapain-tanana.
Amin’izay ihany no hahavelona sy hahasandratra an’i Madagasikara,
toy ny vary tsy ampy rano: tsy ampy vavaka irery, tsy ampy faniriana, fa mila fikarakarana sy asa mandrakariva vao mamokatra.
Aoka ny vavaka ho jiro, fa ny asa no lalantsika.
Aoka ny finoana ho hery, fa ny fahalalana no fototra.
Aoka ny saina mazava no hitondra antsika.
Raha tontosa izany, dia hivelatra tahaka ny hazo lehibe i Madagasikara.
Mirary Fetin’ny Noely sambatra sy Taom-baovao mamirapiratra ho an’ny vahoaka Malagasy.
Zaza Ramandimbiarison





