Fanabeazana ihany, fanabeazana hatrany !
Miditra amin’ny fotoan-dehibe i Madagasikara, fotoanan’ny fanorenana indray ny Firenena. Hiditra amin’ny Repoblika Faha-dimy isika, hoy ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Tsy azo atsangana amin’ny fanavaozana rafitra sy teny fikasana fotsiny anefa izany, fa tsy maintsy miainga amin’ny maha-olona ny olom-pirenena tsirairay.
Tsy latsaka soatoavina na finiavana ny Malagasy. Tahaka ny vahoaka rehetra maneran-tany, fehezin’ny filàna fototra dimy isika, dia ny :
- mihinana, nefa « Izay mihinana androany tsy mihevitra rahampitso, noana rahatrizay » ;
- miteraka sy hiterahana, fa « Ny vatana no maniry, fa ny saina no tokony hibaiko » ;
- manana toerana eo amin’ny fiarahamonina, ka tsarovy fa « Tsy ny akanjo no maha-olona, fa ny toetra » ;
- mitsitsy hery, na ny hakamoana no mibaiko, nefa « Ny asa no maha-olona » ;
- ary mitady vaovao hahafahana mamaly ireo filàna ireo sy hahavelona tena, saingy « rehefa diso na tsy ampy izany vaovao izany, dia mora tantanana ny olona, fa tsy azo ampandrosoina ».
Ny tena fanamby dia rehefa tsy avadika ho hery mampandroso ireo filàna dimy maha-olombelona ireo.
Eo indrindra no maha-zava-dehibe ny fanabeazana. Ny fanabeazana irery no afaka manova ny hanoanana ho famokarana, ny filàna ho andraikitra, ny fitadiavana sata ho fitarihana mahasoa, ary ny vaovao ho fahalalana. Raha tsy misy fanabeazana dia velona fotsiny ny olona ; miaraka amin’ny fanabeazana dia mandroso izy.
Tsy olana ara-moraly no tena sakana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, fa olana ara-panabeazana. Ny fanabeazana no lova tsara indrindra azo atolotra ny taranaka ho avy.
Ny fanorenana indray ny Firenena dia tsy mitaky fanerena jadona, fa fanabeazana matanjaka, fahatakarana iombonana ary fandraisana andraikitra.
Fa tsy ny hery no manova ny tantaran’ny firenena ntsika, fa ny fahendrena ambolena ao an-tsaina sy ao am-po, ho an’ny Malagasy sy ny taranaka fara mandimby.
Zaza Manitranja Ramandimbiarison





