Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Jeneraly Lylyson : « Tsy misy fifampiraharahana azo atao amin’ny fandrobàna tanindrazana »

La gazette de la grande île
11/01/202636 second read

Manana andraikitra amin’ny fiarovana ny Fiandrianam-pirenena ny ministeran’ny Fanajariana ny Tany, indrindra ny mikasika ireo Nosy manodidina na Iles Eparses, izay norobain’i Frantsay, hoy ny jeneraly Lylyson de Renè.
Na ara-tantara na ara-dalàna dia an’i Malagasy ireo Nosy ireo, araka ny didy laharana 3491 navoakan’ny Firenena Mikambana tamin’ny taona 1979, izay manery an’i Lafrantsa hamerina any ireo amin’i Madagasikara ary mbola nohamafisina tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny faha-22 Desambra 2025 izay mamaritra ny fari-dranimasin’i Madagasikara.
« Tsy tokony hisy adihevitra intsony ny amin’ny fitantanana ireo Nosy manodidina ireo. Ny tompony no masi-mandidy amin’ny fitantanana ny taniny » hoy hatrany ny jeneraly Lylyson de René. Izany akory hoy izy tsy misakana izay mety ho fiaraha-miasa amin’i Lafrantsa ny amin’ny fitrandrahana ny harena ao amin’ireo Nosy manodidina ireo.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top