Ny jeneraly Baomba na ny Jeneraly kintana efatra Richard Ravalomanana avy ao amin’ny zandary sady filohan’ ny antenimieran-doholona dia nampidirina am-ponja vonjimaika eny Imeritsiatosika, ary ny minisitry ny fampianarana teo aloha sady depiote ny Fianarantsoa dia nalefa eny amin’ny fonja Avaradrano Antananarivo. Ny alatsinainy faha 19 Janoary 2026 izany no nitranga rehefa avy notazonina natao fanadihadiana tao anatin’ny 15 andro teny amin’ny zandary teny Fiadanana ny jeneraly Baomba ary teny amin’ny polisy amin’ny heloka bevava teo Anosy kosa ny minisitra Marie Michelle Sahondramalala. Mazava hoazy fa olona akaiky be any filoha teo aloha Andry Nirina Rajoelina izy roa ireo ary tanan-kavanan’i Mamy Ravatomanga koa.
Ny antony itazonana azy roa ireo dia ny « atteinte à la sûreté intérieure de l’état » na ny fanohintohinana ny filaminana anatiny ato amin’ny fitondrana izao. Nisy koa olona 12 hafa izay nalaina am-bavany tamin’izao raharaha izao saingy tsy voafonja fa eo ambany fanaraha-maso ny fitsarana. Ny mpanolotsaina sy mpanao iraky Andry Nirina Rajoelina antsoina hoe Mosa Soaly dia isan’ireo olona nahazo fanaraha-maso ny fitsarana koa tamin »ny herinandro lasa teo iny mahakasika ity raharaha ity.
Mandeha ny resaka fa mbola misy olona hafa hosamborina koa mahakasika ny raharaha ity.
Na izany aza dia tokony hosamborina koa i Naina Andriatsitohaina izay efa nanaovana didy fampisamborana iraisam-pirenena iray volana lasa izay hahafantarana ny marina amin’ny raharaha CNAPS iny.
Général Richard Ravalomanana sy ny minisitra Marie Michelle Sahondramalala : Nampidirina am-ponja vonjimaika ny alatsinainy 19 janoary 2026
La gazette de la grande île
20/01/2026•2 minute read

Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626737
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





