Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fanavaozana hoe?  Izao no isany:

La gazette de la grande île
26/01/20262 minute read

Atsaharo ny fanararaotam-pahefana, amboary ny ho avy. Tsy hisy fampandrosoana raha tsy misy Fanjakana itokisana

Miezaka manokatra sy manamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-toekarena sy ara-bola ny Filohan’ny fanavaozana ankehitriny, mba hisarihana fampiasam-bola ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Na izany aza, ny fanararaotam-pahefana miseho amin’ny fakàna vola tsy ara-drariny ataon’ny tompon’andraikitra ambony sy mpiasam-panjakana sasany dia manakivy sy manakana ny fampiasam-bola, sady manimba ny tontolo ara-toekarena ilaina amin’ny fandrosoana. Izany dia zava-misy mampanahy manohintohina ny fanavaozana andrasan’ny Malagasy

Ity fisehoan-javatra ity dia aretina lalina efa nandrava ny fototry ny Fanjakana nandritra ny taona maro, nanimba tanteraka ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fahefam-panjakana, ary manalemy mivantana ny toekaren’i Madagasikara.

Ny mbola fisian’ny fanararaotam-pahefana tahaka izao ankehitriny dia manohintohina mivantana ny fanavaozana sy ny fanorenana maharitra, ary mety hanimba ireo ezaka rehetra atao ho famerenana ny fahatokisana sy ny fitoniana ara-toekarena.izany dia zava-misy mampanahy manohintohina ny fanavaozana andrasan’ny Malagasy

Raha tena Tia ny Tanindrazana ka tiana ho tanteraka ny fanavaozana sy ny fampandrosoana, dia tsy maintsy atsahatra tsy misy fepetra ny fanararaotam-pahefana, satria tsy hisy fampiasam-bola maharitra, tsy hisy fitoniana, ary tsy hisy fandrosoana raha tsy misy Fanjakana itokisana.

 

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top